Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 11:43 - Baiboly Katolika

Aza mametaveta ny tenanareo amin’ireny biby mandady rehetra ireny; aza mandoto ny tenanareo amin’ireny fa hahazo loto avy amin’ireny ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Aza mametaveta ny tenanareo amin’izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy mba tsy hahaloto anareo.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Aoka tsy hanota fady na handoto tena amin’ireny bibikely rehetra ireny ianareo, fandrao hanjary maloto ianareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Aoka tsy hanota fady na handoto tena amin’ireny bibikely rehetra ireny ianareo, fandrao hanjary maloto ianareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Aza mametaveta ny tenanareo amin’izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Aza mametaveta ny tenanareo amin'izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy, mba tsy hahaloto anareo izany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Aza mametaveta ny tenanareo amin’izay biby mandady na mikisaka; ary aza mandoto ny tenanareo aminy mba tsy hahaloto anareo.

Jereo ny toko



Levitikosy 11:43
5 Rohy Ifampitohizana  

Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»


Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.


Hanavaka ny biby madio amin’izay maloto ianareo, sy ny vorona madio amin’izay maloto, ka tsy hametaveta ny tenanareo amin’izay biby, na vorona, na izay zava-mihetsiketsika rehetra ambonin’ny tany, nasaiko navahanareo ho zava-maloto.


izay nikasika biby mandady nahaloto azy, na olona maloto namindra fahalotoana taminy, na fahalotoana inona na fahalotoana inona,