Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»
Levitikosy 11:41 - Baiboly Katolika Ny biby rehetra mandady amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy azo hanina. DIEM PROTESTANTA «Ny bibikely rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany dia ho fady aminareo ka tsy fihinana. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara «Ny bibikely rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany dia ho fady aminareo ka tsy fihinana. Baiboly Protestanta Malagasy Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana. Malagasy Bible Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana. La Bible en Malgache Ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy azo hanina. |
Hoy Andriamanitra: «Aoka ny rano ho be zava-manana aina mihelotrelotra; ary aoka ny vorona hanidina ambonin’ny tany, eny amin’ny habakabaky ny lanitra.»
Maty avokoa ny nofo rehetra mihetsiketsika eto ambonin’ny tany dia ny vorona, ny biby fiompy, ny biby dia, izay rehetra mandady amin’ny tany ary ny olombelona rehetra.
«Ny biby madinika rehetra manana elatra, mandia tongotra efatra, ho zava-betaveta aminareo.
Fa ny biby hafa manana elatra mandia tongotra efatra, dia ho zava-betaveta aminareo avokoa.»
«Amin’ny biby madinika mandady amin’ny tany, ireto no ho maloto aminareo: ny kionkiona, ny totozy, ny androngo isan-karazany;
Aza misy haninareo rehefa mety ho biby mandady amin’ny tany, na ireo mikisaka amin’ny kibony, na ireo mandia tongotra efatra, na ireo manana tongotra maro, fa ho zava-betaveta ireny aminareo.