Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Levitikosy 11:41 - DIEM PROTESTANTA

41 «Ny bibikely rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany dia ho fady aminareo ka tsy fihinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

41 Ny biby rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy azo hanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

41 «Ny bibikely rehetra mifanaretsaka ambonin’ny tany dia ho fady aminareo ka tsy fihinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

41 Ny biby rehetra mandady amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo, ka tsy hohanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin’ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

41 Ary ny zavatra rehetra izay mandady na mikisaka amin'ny tany dia ho zava-betaveta aminareo ka tsy ho fihinana.

Jereo ny toko dika mitovy




Levitikosy 11:41
6 Rohy Ifampitohizana  

Ary Andriamanitra niteny hoe: «Aoka ny rano ho feno zava-miaina mihetsiketsika isan-karazany, ary aoka ny vorona hanidintsidina ambonin’ny tany eny amin’ny habakabaky ny lanitra!»


Dia maty ny nofo rehetra izay nihetsiketsika tambonin’ny tany, izany hoe ny voro-manidina sy ny biby fiompy mbamin’ny bibidia, ny bibikely mihahohaho tambonin’ny tany, ary ny olombelona rehetra.


«Ny bibikely rehetra manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho fady aminareo.


Fa ny biby hafa manana elatra sady mandia tongotra efatra dia ho fady aminareo.


«Amin’ny biby madinika mifanaretsaka ambonin’ny tany, dia ireto avy no ho maloto aminareo: ny kionkona, ny totozy, ny androngo isan-karazany


Aza misy haninareo ireny bibikely ireny, na ny mikisaka amin’ny kibony, na ny mandia tongotra efatra na mihoatra noho ny efatra, satria fady aminareo ireny.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra