Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Levitikosy 1:15 - Baiboly Katolika

Hoentin’ny mpisorona eo amin’ny ôtely ny vorona, ka hofolahiny amin’ny hohony ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny ôtely, ary hofiazany amin’ny rindrin’ny ôtely ny rany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Haterin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, dia hotapahiny ny lohany ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara sady hofiazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Hoentin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, ka hotapahiny ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara; ary hofiazany hiraraka eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Hoentin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, ka hotapahiny ny lohany, dia hodorany hanetona eo ambonin’ny alitara; ary hofiazany hiraraka eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary haterin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, ka hotapahiny amin’ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara, ary hofiazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary haterin'ny mpisorona ho eo amin'ny alitara izany, ka hotapahiny amin'ny hoho ny lohany, dia hodorany ho fofona eo ambonin'ny alitara, ary hofiazany eo amin'ny rindrin'ny alitara ny ràny;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Haterin’ny mpisorona ho eo amin’ny alitara izany, dia hotapahiny ny lohany ka hodorany ho fofona eo ambonin’ny alitara sady hofiazany eo amin’ny rindrin’ny alitara ny rany.

Jereo ny toko



Levitikosy 1:15
10 Rohy Ifampitohizana  

Ho an’ny mpampianatra hira. Momba ny Serfavavin’ny mazava atsinanana . Salamon’i Davida.


Afaho amin’ny sabatra ny fanahiko, ary ny aiko amin’ny fahefan’ny amboa!


Ka tafatodika any aminy ny vahoakako, migoka rano erỳ izy.


Sitrak’i Iaveh ny nanorotoro Azy tamin’ny fijaliana, nefa rehefa voaatitry ny fanahiny ny sorom-panonerana, dia hahita taranaka Izy, ho lava andro hiainana, ary hambinina eo an-tanany ny hevitra nokasain’i Iaveh.


Ary ianareo, ilay fanosorana noraisinareo taminy no mitoetra ao aminareo, ka tsy mila hampianarin’olona ianareo, fa izany fanosorana izany no mampianatra anareo ny zavatra rehetra, ary marina fa tsy lainga ny fampianarany, ka tomoera ao aminy araka ny fampianarany anareo.


Dia tanteraka tokoa izany. Fa nifoha maraina koa izy nony ampitso ary nofiazany ny volon’ondry, ka nampandeha ranonando eran’ny kopy.