Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Levitikosy 1:11 - Baiboly Katolika dia hovonoiny izy io eo amin’ny lafiny avaratry ny ôtely, eo anatrehan’i Iaveh, ary ny mpisorona zanak’i Aarôna handraraka ny ra manodidina eo ambonin’ny ôtely. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy, ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ny ra manodidina ny alitara. DIEM PROTESTANTA Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izay mpanolotra no hamono azy eo avaratry ny alitara, eo anoloan’ny Toeramasin’ny TOMPO: fa ireo mpisorona taranak’i Aharôna kosa hamafy ny ra manodidina eo amin’ny rindrin’ny alitara. Baiboly Protestanta Malagasy Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hanopy ny ra manodidina amin’ny lafin’ny alitara. Malagasy Bible Dia hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan'i Jehovah izy; ary ireo mpisorona, zanak'i Arona, dia hanopy ny rà manodidina amin'ny lafin'ny alitara. La Bible en Malgache Hamono azy eo avaratry ny alitara eo anatrehan’NY TOMPO izy, ary ireo mpisorona, zanak’i Arona, dia hamafy ny ra manodidina ny alitara. |
Nalain’i Môizy ny antsasaky ny ra nataony teo amin’ny tany, ary ny antsasany nararany teo ambony ôtely.
Napetrany tao an-trano lay fihaonana ny latabatra amin’ny lafiny avaratra amin’ny Fonenana, atỳ ivelan’ny efitra lamba,
Ary hoy izy tamiko: Ry zanak’olona, izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Izao no lalàna ny amin’ny ôtely amin’ny andro hanaovana azy, hanaterana sorona dorana sy hamafazana ra aminy:
Hoy izy tamiko: «Ry zanak’olona, atopazo mianavaratra ny masonao.» Dia natopiko mianavaratra ny masoko, ka indro, teo avaratry ny vavahadin’ny ôtely, eo amin’ny fidirana, nisy ilay sampin’ny fialonana io.
Izy no hamono ny vantotr’ombalahy eo anatrehan’i Iaveh; ary ireo mpisorona zanak’i Aarôna kosa, hanolotra ny ra sy handraraka azy manodidina eo ambonin’ny ôtely izay ao amin’ny fidirana amin’ny trano lay fihaonana.
Eo amin’ny toerana famonoana ny sorona noho ny ota, sy ny sorona dorana, no hamonoany ny zanak’ondry, dia eo amin’ny fitoerana masina; fa amin’ny sorona fanonerana, dia an’ny mpisorona, toy ny amin’ny sorona noho ny ota, ny zavatra atao sorona: zava-masina dia masina izany.
Hametra-tanana eo ambonin’ny sorona noho ny ota izy sy hamono azy eo amin’ny fitoerana fanolorana ny sorona dorana.
Ao amin’ny fitoerana famonoana ny sorona dorana no amonoana ny sorona fanonerana. Hararaka manodidina amin’ny ôtely ny rany.