Ny feony dia hoatra ny sasasasan’ny menarana mandeha; satria marobe izy ireo no tonga, dia tonga eo aminy, mitondra famaky, sahala amin’ny mpikapa hazo.
Josoa 9:21 - Baiboly Katolika «Ka aoka ho velona àry izy», hoy ireto filohany tamin’izy ireo. Dia natao mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra ireo, araka ny voalazan’ny filohany taminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Koa hoy ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy ireo, araka ny teny nataon’ny loholona taminy. DIEM PROTESTANTA Havelantsika ho velona izy nefa kosa ho tonga mpaka kitay sy mpantsaka rano ho antsika. Izany no soso-kevitr’ireo loholom-piangonana israelita. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Havelantsika ho velona izy nefa kosa ho tonga mpaka kitay sy mpantsaka rano ho antsika. Izany no soso-kevitr’ireo loholom-piangonana israelita. Baiboly Protestanta Malagasy Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon’ny loholona taminy. Malagasy Bible Ary hoy koa ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an'ny fiangonana rehetra izy, araka ny teny nataon'ny loholona taminy. La Bible en Malgache Koa hoy ny loholona taminy: Aoka ihany ho velona izy. Dia tonga mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana rehetra izy ireo, araka ny teny nataon’ny loholona taminy. |
Ny feony dia hoatra ny sasasasan’ny menarana mandeha; satria marobe izy ireo no tonga, dia tonga eo aminy, mitondra famaky, sahala amin’ny mpikapa hazo.
ny zanakareo sy ny vadinareo ary ny vahiny eo an-tobinao hatramin’ny mpikapa hazonao ka hatramin’ny mpantsaka ranonao,
mba hiditra amin’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrao, sy amin’ny fianianany; dia ny fanekena izay ataon’i Iaveh Andriamanitrao aminao anio,
Ren’i Adônisedeka, mpanjakan’i Jerosalema, fa i Haia dia efa azon’i Jôsoe, ka nataony anatema; toy ny nanaovany an’i Jerikô sy ny mpanjakany, no nanaovany an’i Haia sy ny mpanjakany koa, ary ny mponina ao Gabaôna efa nanao fihavanana tamin’i Israely ka mitoetra eo aminy.
ary nanaiky hihavana amin’izy ireo i Jôsoe, sy nanao fanekem-pihavanana taminy fa hovelominy izy; sady nianiana taminy araka izany koa ny lohan’ny fiangonana.
Fa izao no hanaovantsika azy: Havelantsika ho velona ihany izy, mba tsy hitarika ny fahatezeran’i Iaveh amintsika noho ny fianianana efa nataonay taminy.»
Koa ankehitriny, voaozona ianareo, ka tsy misy aminareo tsy ho andevo, hikapa hazo sy hantsaka rano ho an’ny tranon’Andriamanitra».
Hatramin’izay andro izay ihany, dia naraikitr’i Jôsoe izy ho mpikapa hazo sy mpantsaka rano ho an’ny fiangonana sy ny ôtelin’i Iaveh any amin’ny fitoerana izay hofidin’i Iaveh, ary mbola nanao izany mandraka androany izy.