Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 3:6 - Baiboly Katolika

Dia niteny tamin’ny mpisorona i Jôsoe ka nanao hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena ka mità eo alohan’ny vahoaka.» Dia nentin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena, ka nandroso teo alohan’ny vahoaka izy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary niteny tamin’ny mpisorona i Josoa hoe: Ento ny vata misy ny Fanekena ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny vata misy ny Fanekena izy ireo ka nandeha teo anoloan’ny olona.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tamin’ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: –Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampità eo alohan’ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tamin’ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: –Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampità eo alohan’ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary niteny tamin’ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ny fanekena, ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ny olona.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary niteny tamin’ny mpisorona i Josoa hoe: Ento ny vata misy ny Fanekena* ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny vata misy ny Fanekena izy ireo ka nandeha teo anoloan’ny olona.

Jereo ny toko



Josoa 3:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Nony tonga ny loholona rehetra amin’i Israely, dia nentin’ny mpisorona ny Fiara.


Nony tonga ny loholon’i Israely rehetra, dia nentin’ny taranak’i Levì ny fiara.


Miakatra eo alohan’izy ireo, ny mpanabanga. Izy ireo koa manabanga, miditra ny vavahady, ary mivoaka aminy koa; ny mpanjaka no mandroso eo anoloany, ary i Iaveh no mitarika azy.


Nony niala tany an-tendrombohitr’i Iaveh izy ireo dia nandeha lalan-kateloana, ary nandritra izany dia, nandehanany hateloana izany, dia nandroso teo alohany ny fiaran’ny faneken’i Iaveh nitady fitoerana hialan-tsasatra ho azy ireo.


Koa raha vonoinao toy ny singan’olona ity vahoaka ity, ny firenena izay nandre filazana momba Anao dia hanao hoe:


dia any amin’izay efa nidiran’i Jesoa ho Mpialoha antsika, rehefa natao mpisorom-be mandrakizay araka ny fomban’i Melkisedeka.


ka nandidy ny vahoaka hoe: «Rehefa hitanareo ny fiaran’ny faneken’i Iaveh Andriamanitrareo, entin’ny mpisorona Levita, dia mialà eo amin’ity toerana ity, ka miaingà manaraka azy.


Ary hoy i Jôsoe tamin’ny vahoaka: «Hamasino ny tenanareo, fa hanao fahagagana eo afovoanareo i Iaveh rahampitso.»


Hoy i Iaveh tamin’i Jôsoe: «Indro aho hanomboka hanandratra anao eo imason’i Israely rehetra mba ho fantany fa toy ny nombako an’i Môizy no ombako anao koa.


Dia niantso ny mpisorona i Jôsoe, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena, ka aoka ny mpisorona fito hitondra trômpetra fito mafy faneno eo alohan’ny fiaran’i Iaveh.»