Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Josoa 3:6 - Baiboly Protestanta Malagasy

6 Ary niteny tamin’ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran’ny fanekena, ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny fiaran’ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

6 Ary niteny tamin’ny mpisorona i Josoa hoe: Ento ny vata misy ny Fanekena ka mità eo anoloan’ny olona. Dia nitondra ny vata misy ny Fanekena izy ireo ka nandeha teo anoloan’ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

6 Tamin’ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: –Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampità eo alohan’ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

6 Tamin’ny andro manaraka, dia nibaiko ny mpisorona i Josoa hoe: –Entonareo ny Vatamasina mirakitra ny fankempihavanana ka miampità eo alohan’ny vahoaka. Dia nitondra ilay Vatamasina ireo ka nandeha teo alohan’ny vahoaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

6 Dia niteny tamin’ny mpisorona i Jôsoe ka nanao hoe: «Ento ny fiaran’ny fanekena ka mità eo alohan’ny vahoaka.» Dia nentin’izy ireo ny fiaran’ny fanekena, ka nandroso teo alohan’ny vahoaka izy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

6 Ary niteny tamin'ny mpisorona Josoa ka nanao hoe: Ento ny fiaran'ny fanekena, ka mità eo anoloan'ny olona. Dia nitondra ny fiaran'ny fanekena izy ka nandeha teo anoloan'ny olona.

Jereo ny toko dika mitovy




Josoa 3:6
11 Rohy Ifampitohizana  

Ary tonga ny loholon’ny Isiraely rehetra, ary ny mpisorona no nitondra ny fiara;


Ary tonga koa ny loholon’ny Isiraely rehetra, ka ny Levita no nitondra ny fiara,


Ny mpanabanga miakatra eo alohany, Manabanga izy ka mandroso ho eo amin’ny vavahady, Dia mivoaka eo aminy; Ny mpanjakany mandroso eo alohany, Ary Jehovah no mitarika azy.


Dia niainga niala tany an-tendrombohitr’i Jehovah làlan-kateloana izy; ary ny fiaran’ny faneken’i Jehovah nandroso nialoha azy làlan-kateloana hitady fialan-tsasatra ho an’ny olona.


Fa raha mahafaty ity firenena ity toy ny olona iray Hianao, dia hiteny ny jentilisa, izay nandre ny lazanao, ka hanao hoe:


tany no nidiran’i Jesosy ho Mpialoha antsika, rehefa tonga Mpisoronabe ,,mandrakizay araka ny fanaon’i Melkizedeka’’ Izy.


ka nandidy ny olona hoe: Rehefa hitanareo ny fiaran’ny faneken’i Jehovah Andriamanitrareo ary ny Levita mpisorona mitondra azy, dia mialà amin’ izay itoeranareo, ka manaraha azy


Ary hoy Josoa tamin’ny olona: Manamasìna ny tenanareo: fa rahampitso dia hanao fahagagana eo aminareo Jehovah.


Ary hoy Jehovah tamin’i Josoa: Anio no hanandratako anao eo imason’ny Isiraely rehetra, hahafantarany fa tahaka ny nombako an’i Mosesy no hombako anao koa.


Dia niantso ny mpisorona Josoa, zanak’i Nona, ka nanao taminy hoe: Ento ny fiaran’ny fanekena, ary asio mpisorona fito mitondra anjomara fito mafy faneno eo alohan’ny fiaran’i Jehovah.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra