Homba antsika anie i Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie Izy, na hahafoy antsika,
Josoa 24:23 - Baiboly Katolika «Ario àry amin’izao ny andriamani-kafa eo aminareo, ary avereno amin’i Iaveh Andriamanitr’i Israely ny fonareo.» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Arionareo ary ankehitriny ny andriamanitra hafa izay eo aminareo ka ampanatony NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny fonareo. DIEM PROTESTANTA Dia nofaranan’i Josoa hoe: –Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia nofaranan’i Josoa hoe: –Ankehitriny àry, esory ny andriamani-kafa izay eo anivonareo ka atodiho amin’ny TOMPO Andriamanitr’Israely ny fonareo. Baiboly Protestanta Malagasy Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo, ka ampanatony an’i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely, ny fonareo. Malagasy Bible Arionareo ankehitriny ary ny andriamani-kafa, izay eo aminareo. ka ampanatony an'i Jehovah, Andriamanitry ny Isiraely ny fonareo. La Bible en Malgache Arionareo ary ankehitriny ny andriamanitra hafa izay eo aminareo ka ampanatony NY TOMPO, Andriamanitry ny Israely, ny fonareo. |
Homba antsika anie i Iaveh Andriamanitsika, toy ny efa nombany ny razantsika. Tsy handao antsika anie Izy, na hahafoy antsika,
fa aoka hanongilana ny fontsika ho any aminy, mba hizorantsika amin’ny lalany sy hitandremantsika ny didiny aman-dalàny, ary ny fitsipiny izay nandidiany ny razantsika.
Aza atongilanao amin’ny ratsy ny foko, na hilozoka amin’ny asa ratsy, miaraka amin’ny olona mpanao ratsy.
Aza misy andriamani-kafa eo aminao, aza mivavaka amin’ny andriamanitry ny vahoaka hafa.
mampandry sofina tsara hihaino ny fahendrena ianao, ka mampiròna ny fonao ho amin’ny fahalalana;
Izay ho avy hiala sasatra ao ambanin’ny alokalony, hampahavokatra ny vary indray; haniry toy ny voaloboka izy; ary ho tahaka ny divain’i Libàna ny anarany.
Koa matahora an’i Iaveh ary manompoa Azy amim-pahitsiana sy fahamarinana; ario ny andriamanitra notompoin’ny razanareo tany an-dafin’ny ony sy tany Ejipta, ka manompoa an’i Iaveh.