Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Josoa 2:18 - Baiboly Katolika Rehefa hiditra amin’ity tany ity izahay dia afehezo eo amin’ny varavarankely nampidinanao anay ity kofehy mena mangatrakatraka ity, ary vorio ato aminao, ato an-tranonao, avokoa ny ray aman-dreninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan-drainao rehetra. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io tady kely jaky io dia hovorinao ho ao an-tranonao ny rainao sy ny reninao ary ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra; DIEM PROTESTANTA Rehefa tonga haka ny tany izahay, dia afatory eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay ity kofehy mena ity; ary angony ao an-trano avokoa ny ray aman-dreninao sy mpiray tampo aminao mbamin’ny fianakavianao manontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa tonga haka ny tany izahay, dia afatory eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay ity kofehy mena ity; ary angony ao an-trano avokoa ny ray aman-dreninao sy mpiray tampo aminao mbamin’ny fianakavianao manontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay, dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; Malagasy Bible Indro, rehefa tonga eto amin'ny tany izahay, dia hafehinao eo amin'ny varavarankely izay nampidinanao anay io kofehy jaky io; ary ny rainao sy ny reninao sy ny anadahinao mbamin'ny ankohonan'ny rainao rehetra dia hovorinao ho ao an-tranonao; La Bible en Malgache Indro, rehefa tonga eto amin’ny tany izahay dia hafehinao eo amin’ny varavarankely izay nampidinanao anay io tady kely jaky io dia hovorinao ho ao an-tranonao ny rainao sy ny reninao ary ny anadahinao mbamin’ny ankohonan’ny rainao rehetra; |
Izaho hahatonga anao ho firenena lehibe sy hitso-drano anao, ary hampanan-daza ny anaranao.
Hoy i Iaveh tamin’i Nôe: «Midira ao an-tsambo fiara ianao sy ny ankohonanao rehetra, fa amin’izao olona miara-belona aminao izao, dia ianao no hitako ho olo-marina eo anatrehako.
Ny ra dia ho famantarana ny hitsimbinana anareo eo amin’ny trano misy anareo; ho hitako ny ra dia holalovako fotsiny ianareo; ka tsy hisy loza hahafaty anareo, rehefa hamely ny tany Ejipta Aho.
Tahaka ny kofehy jaky ny molotrao, ary mahafinaritra ny vavanao; tahaka ny voan’ampongabendanitra misasaka ny takolakao, alokalofan’ny voalinao.
dia hodidian’ny mpisorona halaina ho an’ilay hodiovina ny vorona roa velona sady madio, ny hazo sedera, ny lamba mena antitra, ary ny hisopa.
Ary ny mpisorona haka hazo sedera sy hisopa ary lamba mena antitra, ka hanipy izany ao afovoan’ny afo mandoro ny omby vavy.
Hovelarany lamba mena antitra eo amboniny ireo, sy horakofany firakotra hodi-dogaona vao hapetany ny baon’ny latabatra.
Dia hoy i Jesoa taminy: «Tonga amin’ity trano ity androany ny famonjena, satria zanak’i Abrahama koa ity lehilahy ity,
Sady niresaka taminy izy no niditra tao an-tranony, ary namantana olona betsaka tafavory tao.
Dia naniraka ho any aminao niaraka tamin’izay aho; ka tsara ny nahatongavanao. Koa ankehitriny, vory eto anatrehanao izahay rehetra, mba hihaino ny zavatra rehetra asain’Andriamanitra lazainao aminay.»
Fa homen’ny Tompo famindram-po kosa anie, ry i Onesifôro mianakavy, satria mazàna no namelom-bolo ahy izy, sady tsy menatra ny gadrako,
Fa rehefa voavakin’i Môizy tamin’ny vahoaka rehetra ny didy rehetra tao amin’ny Lalàna, dia nalainy ny ran-janak’omby sy ny ran’osilahy, mbamin’ny rano sy ny volon’ondry mena ary ny hisopa, ka nafafiny tamin’ny boky sy ny vahoaka rehetra,
Hoy ny navaliny azy: «Aoka ho araka ny teninareo.» Dia nalefany izy roa lahy ka nandeha, ary nafehiny teo amin’ny varavarankely ilay kofehy mena mangatrakatraka.
Dia niditra ireo zatovo ireo mpisafo tany, ka nentiny nivoaka i Rahaba sy ny ray aman-dreniny ary ny anadahiny mbamin’izay rehetra azy; nentiny nivoaka ny olona rehetra amin’ny fianakaviany, dia nataony any ivelan’ny tobin’i Israely.
Novelomin’i Jôsoe i Rahaba janga, sy ny ankohonan-drainy mbamin’izay rehetra azy, ka mitoetra eo amin’i Israely mandraka androany izy, noho izy nanafina ny iraka nirahin’i Jôsoe hisafo an’i Jerikô.