Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 18:13 - Baiboly Katolika

Avy eo ny faritra dia nahazo an’i Lozy amin’ny kisolosolon’i Lozy any atsimo, dia i Betela izany; dia nidina indray ny faritry ny tany mankany Atarôt-Adara, nihazo tamin’ny tendrombohitra ao atsimon’i Betôrôna ambany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

hatreo dia mandroso hatrany Lozy, hatrany amin’ny ilany atsimon’i Lozy na Betela, midina hatrany Atarota-Adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Bety-Horona ambany,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin’ny ilany atsimon’i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarôta-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon’i Bety-Hôrôna ambany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

avy eo dia mankany Lozy ka mandalo amin’ny ilany atsimon’i Lozy izay antsoina koa hoe Betela, ary midina ho any Hatarôta-Adara, rehefa avy mandalo ny tendrombohitra eo atsimon’i Bety-Hôrôna ambany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin’ny ilany atsimon’i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Beti-horona ambany,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

hatreo dia nandroso hatrany Lozy, hatramin'ny ilany atsimon'i Lozy (Betela izany), dia nidina hatrany Atarot-adara ao amin'ny tendrombohitra atsimon'i Beti-horona ambany,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

hatreo dia mandroso hatrany Lozy, hatrany amin’ny ilany atsimon’i Lozy na Betela, midina hatrany Atarota-Adara ao amin’ny tendrombohitra atsimon’i Bety-Horona ambany,

Jereo ny toko



Josoa 18:13
10 Rohy Ifampitohizana  

Nataony hoe Betela no anaran’io fitoerana io. Loza anefa no anaran’ny tanàna tany aloha.


Ny avy amin’ny taranak’i Benjamina kosa dia nonina hatrany Gebà ka hatrany Makmasa, sy Haì ary Betela, mbamin’ny vohitra momba azy;


Tamin’ny nandosiran’izy ireo teo anatrehan’ny zanak’i Israely teo amin’ny fidinan’i Betôrôna dia nampianjeran’i Iaveh vato vaventy izy ireo hatrany Azekà, ka maty; be lavitra ny matin’ny havandra vato noho ny matin’ny sabatry ny zanak’i Israely.


Izao no faritry ny tanin’ny taranak’i Efraima araka ny fianakaviany: ny faritry ny lovany dia izao: amin’ny atsinanana, Ataret-Adara hatrany Betôrôna ambony.


Amin’ny lafiny andrefana dia nandroso ny faritry ny tany ary niolaka hatramin’ny tendrombohitra ao anoloan’i Betôrôna eo atsimo, ka nipaka tamin’i Kariata-Baala, dia i Kariata-Jearima izany, tanànan’ny taranak’i Jodà; izany no lafiny andrefana.


Ary ny tanànan’ny fokon’ny taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany dia: i Jerikô, i Bety-Heglà, i Eneka-Kaisy, i Bety-Arabà, i Samaraïma,


ary koa i Gazera sy ny manodidina azy, i Kibsama sy ny manodidina azy, i Bety-Hôrôna sy ny manodidina azy: tanàna efatra.


ny toko iray nihazo ny lalana mankany Bety-Hôrôna; ary ny toko fahatelo, ny lalana mankany amin’ny faritany eo ambonin’ny lohasaha Seboima amin’ny ilan’ny efitra.