Josoa 18:11 - Baiboly Katolika Ny fokon-taranak’i Benjamina araka ny fianakaviany no azon’ny loka, ary ny faritany lasany tamin’ny filokana dia ao anelanelan’ny an’ny taranak’i Jodà sy ny taranak’i Josefa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Dia nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka ny fokon’i Benjamina isam-pianakaviany; ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa. DIEM PROTESTANTA Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia azon’ny foko benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny; ka ny velaran-taniny dia teo anelanelan’ny an’ny taranak’i Joda sy ny an’ny taranak’i Jôsefa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ny anjara voatendrin’ny antsapaka voalohany dia azon’ny foko benjaminita ho an’ireo tarika ao anatiny; ka ny velaran-taniny dia teo anelanelan’ny an’ny taranak’i Joda sy ny an’ny taranak’i Jôsefa. Baiboly Protestanta Malagasy DIA nahazo ny loka ny firenena taranak’i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa. Malagasy Bible Dia nahazo ny loka ny firenena taranak'i Benjamina isam-pokony; ary ny faritry ny tany azony dia teo anelanelan'ny taranak'i Joda sy ny taranak'i Josefa. La Bible en Malgache Dia nahazo ny anjarany tamin’ny antsapaka ny fokon’i Benjamina isam-pianakaviany; ny tany azony dia teo anelanelan’ny taranak’i Joda sy ny taranak’i Josefa. |
dia natsangany ho mpanjaka amin’i Galaada, amin’ny Asorita, amin’i Zesraela, amin’i Efraima, amin’i Benjamina ary amin’i Israely rehetra.
Ny an’ny foko sisa kosa: hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Benjamina.
Raha ny iray amin’ny tanàna nomen’i Iaveh Andriamanitrao anao honenana no lazain’ny olona anao hoe:
Dia nanao filokana ho azy ireo, teo anatrehan’i Iaveh, i Jôsoe tao Silao, ka tao no nizaran’i Jôsoe ny tany tamin’ny zanak’i Israely araka ny anjarany.
Amin’ny lafiny avaratra ny faritry ny taniny dia nanomboka eo Jordany dia niakatra ny faritra nianavaratra amin’ny kisolosolon’i Jerikô, dia niakatra indray tamin’ny tendrombohitra any andrefana, ary nipaka tamin’ny efitra Bety-Avena.