Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:24 - Baiboly Katolika

Nomen’i Môizy anjara ny fokon’i Gada, ny taranak’i Gada, araka ny fianakaviany avy;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nomen’i Mosesy koa ny fokon’i Gada, dia ny taranak’i Gada araka ny fianakaviany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nomen’i Mosesy anjara koa ny fokon’i Gada; nomena ny Gadita izany ho an’ireo tarika ao anatiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nomen’i Mosesy anjara koa ny fokon’i Gada; nomena ny Gadita izany ho an’ireo tarika ao anatiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary nomen’i Mosesy koa ny firenen’i Gada, dia ny taranak’i Gada araka ny fokony.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary nomen'i Mosesy koa ny firenen'i Gada, dia ny taranak'i Gada araka ny fokony.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nomen’i Mosesy koa ny fokon’i Gada, dia ny taranak’i Gada araka ny fianakaviany.

Jereo ny toko



Josoa 13:24
6 Rohy Ifampitohizana  

Zanak’i Zelfah, ankizivavin’i Lià: Gada sy Asera. Ireo no zanakalahin’i Jakôba, naterany tany Padan-Arama.


Nonina tany Galaada tany Basàna izy ireo ary tany amin’ny tanàna momba azy sy amin’ny tanimbolin’i Sarôna, hatrany an-tsisiny. Tamin’ny andron’i Joatama mpanjakan’i Jodà, sy ny andron’i Jerôbôama mpanjakan’i Israely,


Manolotra ny sisin-tanin’i Zabolôna, hatramin’ny faritra atsinanana ka hatramin’ny faritra andrefana: anjara iray ho an’i Gada.


Koa tonga hatrany Jordany ka hatramin’ny faritaniny ny faritanin’ny tarana-dRobena. Izany no lovan’ny tarana-dRobena sy ny fianakaviany dia ny tanàna aman-jana-bohiny.


ka izao no faritaniny: Jasera, ny tanànan’i Galaada rehetra, ny antsasaky ny tanin’ny taranak’i Amôna, hatrany Arôera tandrifin’i Rabà,