Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Josoa 13:12 - Baiboly Katolika

ny fanjakana rehetra tany Basàna an’i Oga, izay nanjaka tany Astarôta sy tany Edraia; izy io no hany sisa tamin’ny Refaima: resin’i Môizy ireo mpanjaka ireo ka noroahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarota sy Edrehy, izy ihany no sisa tamin’ny Refaìta fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

mbola anisan’izany koa ny fanjakan’i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela ary nanjaka tao Hastarôta sy Edrehỳ tany Basàna. Resin’i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

mbola anisan’izany koa ny fanjakan’i Hôga, iray amin’ireo Refaîta sisa tavela ary nanjaka tao Hastarôta sy Edrehỳ tany Basàna. Resin’i Mosesy avokoa ireo firenena ireo ka noroahiny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin’ny Refaïta); fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

dia ny fanjakana rehetra an'i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarta sy Edrehy (izy ihany no sisa tamin'ny Refaita); fa resin'i Mosesy ireny ka noroahiny.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

dia ny fanjakana rehetra an’i Oga tany Basana, izay nanjaka tany Astarota sy Edrehy, izy ihany no sisa tamin’ny Refaìta fa resin’i Mosesy ireny ka noroahiny.

Jereo ny toko



Josoa 13:12
7 Rohy Ifampitohizana  

dia nony efa nandresy an’i Sehôna mpanjakan’i Amôreana, izay nonina tao Hesebona, sy i Oga mpanjakan’i Basàna, izay nonina tao Atarôta sy Edraia.


Ny tanin’i Oga, mpanjakan’i Basàna, isan’ny sisan’ny Refaima nonina tao Aztarôta sy Edraia:


Ny Gesorianina sy ny Makatianina anefa tsy mba noroahin’ny zanak’i Israely ka samy mbola mitoetra eo amin’ny zanak’i Israely mandraka androany i Gesora sy i Makata.


Ny antsasak’i Galaada sy Astarôta ary Adraia, tanàna amin’ny fanjakan’i Oga, any Basàna, dia nomena ny taranak’i Makira zanak’i Manase, dia ny antsasaky ny taranak’i Makira, araka ny fianakaviany.