Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 4:4 - Baiboly Katolika

Ny aminareo koa dia mifaninona Izaho sy ianareo, ry Tira sy Sidona, mbaminareo faritany rehetra any Filistia? Mitady ny hamaly Ahy va ianareo? Raha mba mihaika Ahy ianareo, dia vetivety foana tsy ampy toy inona no hanatsingerenako eo an-dohanareo ny fihaikanareo;

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary ianareo koa, ry Tiro sy Sidona, sy ry tanin’ny Filistina rehetra, Inona no tadiavinareo Amiko? Hamaly faty Amiko va ianareo, sa ahoana? Raha hamaly faty Amiko ianareo dia hatsingeriko haingana ho eo an-dohanareo ny nataonareo,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ianareo kosa, ry i Tiro sy i Tsidôna, mbaminareo rehetra faritr’i Filistia, inona no tadiavinareo hatao amiko? Moa hamaly faty Ahy va ianareo? Raha izany no tadiavinareo hatao amiko, dia hatsingeriko haingana eo an-dohanareo.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ianareo kosa, ry i Tiro sy i Tsidôna, mbaminareo rehetra faritr’i Filistia, inona no tadiavinareo hatao amiko? Moa hamaly faty Ahy va ianareo? Raha izany no tadiavinareo hatao amiko, dia hatsingeriko haingana eo an-dohanareo.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary hianareo koa, ry Tyro sy Sidona, sy ry tany Filistia rehetra, Moa mampaninona Ahy akory hianareo? Hamaly Ahy va hianareo, sa hanahoana Ahy? Faingana dia faingana no hanatsingerenako ny nataonareo ho eo an-dohanareo,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary ianareo koa, ry Tiro sy Sidona, sy ry tanin’ny Filistina rehetra, Inona no tadiavinareo Amiko? Hamaly faty Amiko va ianareo, sa ahoana? Raha hamaly faty Amiko ianareo dia hatsingeriko haingana ho eo an-dohanareo ny nataonareo,

Jereo ny toko



Joela 4:4
0 Rohy Ifampitohizana