Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:9 - Baiboly Katolika

Tapaka tsy misy intsony ny fanatitra amam-panatitra araraka, ao an-tranon’i Iaveh; misaona ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Tsy misy entina intsony ao an-tranon’ny TOMPO na ny fanatitra vokatry ny tany na ny fanatitra araraka. Noho izany, misaona ny mpisorona dia ireo mpanao fanompoam-pivavahana amin’ny TOMPO.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Efa tapaka tsy ho ao amin’ny tranon’i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Efa tapaka tsy ho ao amin'ny tranon'i Jehovah ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; Mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy hita ao amin’ny tranon’NY TOMPO intsony ny fanatitra hohanina sy ny fanatitra aidina; mitomany ny mpisorona, mpanao fanompoam-pivavahana ho an’NY TOMPO.

Jereo ny toko



Joela 1:9
10 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny anay kosa: I Iaveh no Andriamanitray, ary tsy mba nahafoy Azy izahay, ny taranak’i Aarôna no mpisorona manao fanompoana ho an’i Iaveh, ary ny Levita kosa manao ny anjara raharahany.


«Asaovy manatona anao i Aarôna rahalahinao, mbamin’ny zanany, ao amin’ny zanak’i Israely, mba ho mpisorona amin’ny fanompoana Ahy, dia i Aarôna, i Nadaba, i Abiò, i Eleazara, ary i Amôra, zanak’i Aarôna.


Fa ianareo kosa hataon’ny olona hoe: «mpisoron’i Iaveh.» sy hantsoin’ny olona hoe: «Mpandraharahan’ny Andriamanitsika.» Hihinana ny haren’ny firenena ianareo; hihaingo amin’ny zavatra kanto avy aminy, ary hitafy ny fiamboniana nananany.


Izany no itomaniako, ka mamarin-dranomaso ny masoko, eny ny masoko; fa tsy mba misy olona ato anilako, mampionona ahy, mamelombelona ny aiko. Vontom-pahoriana ny zanako, fa mahery ny fahavalo.


Misaona ny lalan’i Siôna, fa tsy misy intsony ny miakatra ho amin’ny fetiny. Rava avokoa ny vavahadiny, mitaraina ny mpisorony, miferinaina ny virjininy ary tra-pahoriana mangidy izy.


Tsy hanolotra divay ho fanatitra araraka ho an’i Iaveh izy: ary tsy hankasitrahiny ny sorona ataony; fa toy ny fahan-kanina fisaonana izany aminy, ka haloto izay mihinana amin’izany; satria ny hanin’izy ireo ho an’ny tenany ihany, fa tsy hiditra ao an-tranon’i Iaveh.


Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.


Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon’ny Andriamanitsika?


Iza moa no mahalala fa tsy mihemotra sy tsy hanenina, ary tsy hamela hitafiana eo aoriany izy, dia ny fanatitra amam-panatitra araraka ho an’i Iaveh Andriamanitsika?


Eo anelanelan’ny alo-baravarana sy ny ôteliny, dia aoka ny mpisorona mpanao raharahan’i Iaveh, hitomany ka hanao hoe: «Iaveh ô, tsimbino ny vahoakanao, aza atolotrao halaim-baraka ny lovanao, ka hataon’ny firenena fandatsa. Ahoana no dia anaovanao any amin’ny firenena hoe: Fa aiza izay Andriamaniny?»