Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Joela 1:19 - Baiboly Katolika

Mitaraina aminao aho, Iaveh ô, fa levon’ny afo ny kijana an’efitra, voadoron’ny lelafo ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

TOMPO ô, Ianao no itarainako! Fa efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra ary nisy lelafo nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

TOMPO ô, mitaraina aminao aho fa levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra; ary misy lelafo mandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

TOMPO ô, mitaraina aminao aho fa levon’ny afo ny kijana any an-taniefitra; ary misy lelafo mandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Jehovah ô, Hianao no itarainako, Fa efa levon’ny afo ny kijana any an-efitra, Ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Jehovah ô, Hianao no itarainako, fa efa levon'ny afo ny kijana any an-efitra, ary nisy lelafo efa nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

TOMPO ô, Ianao no itarainako! Fa efa levon’ny afo ny kijana any an-tany efitra ary nisy lelafo nandoro ny hazo rehetra any an-tsaha.

Jereo ny toko



Joela 1:19
14 Rohy Ifampitohizana  

Antsoy amin’ny andron’ny fahoriana Aho, dia hamonjy anao; ka hanome voninahitra Ahy ianao.


Hiantso Ahy izy, ary hamaly azy Aho; homba azy amin’ny andron’ny fahoriana Aho. Hanafaka sy hanome voninahitra azy Aho.


Noho ny tany vaky hentana, azon’ny tsy fisian’ny orana amin’ny tany, dia mangaihay ny mpiasa, ka misaron-doha.


Ny fahavetavetany mahoraka no nandotoany ny tany, ary nitolo-tena hiraiki-po tamin’ny vato aman-kazo izy.


Ary i Jerosalema hataoko korontam-bato, sy fieren’amboadia; ny tanànan’i Jodà koa hataoko lao, tsy misy mponina.


Ny tendrombohitra dia hanaovako fitarainana sy fitomaniana, ny tanim-bilona any an’efitra hanaovako hira fisaonana! Fa may ireny, ka ny olona tsy mandalo ao intsony; ny feom-biby fiompy tsy re ao intsony; ny voromanidina amam-biby fiompy nandositra tsy misy intsony.


Eo anoloany misy afo mandevona, ary eo aoriany misy lelafo mandoro. Ny tany eo alohany, toy ny zaridain’i Edena, ary ny eo aoriany, toy ny efitra voarava; tsy misy tsy asiany na kely akory aza.


Hierona avy ao Siôna i Iaveh; ary hampandre ny feony avy ao Jerosalema Izy; ny tany fiandrasan’ny mpiandry ondry, hisaona; ary ny tampon’i Karmela, ho maina.


Izao no nasehon’ny Tompo Iaveh tamiko: dia indro tonga i Iaveh hanasazy amin’ny afo, dia nandevona ny hantsana lehibe ny afo, sy nandevona ny anjara-lovan’ny Tompo.


Fa izaho kosa hitodi-maso amin’i Iaveh, hanantena ny Andriamanitry ny famonjeko; hihaino ahy ny Andriamanitro.


Ary nanao fanoharana tamin’izy ireo koa Izy, momba ny tsy maintsy ivavahana lalandava sy amim-paharetana.


ka Andriamanitra indray va no tsy hanome rariny ny olom-pinidiny izay mitaraina aminy andro aman’alina, ary tsy halaky hamonjy azy?