Joela 1:16 - Baiboly Katolika Tsy efa noesorina teo imasontsika va ny hanina mbamin’ny fifaliana amam-piravoravoana izay voaesotra tao an-tranon’ny Andriamanitsika? Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Moa tsy efa nesorina teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika? DIEM PROTESTANTA Teo imasontsika teo no nanafoanana ny hanintsika; ary lavitry ny tranon’Andriamanitsika ny fifaliana amam-piravoravoantsika? Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Teo imasontsika teo no nanafoanana ny hanintsika; ary lavitry ny tranon’Andriamanitsika ny fifaliana amam-piravoravoantsika? Baiboly Protestanta Malagasy Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, Eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon’Andriamanitsika? Malagasy Bible Moa tsy efa tapaka teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao an-tranon'Andriamanitsika? La Bible en Malgache Moa tsy efa nesorina teo imasontsika va ny hanina, eny, ny fifaliana sy ny faharavoravoana tsy ho ao amin’ny tranon’Andriamanitsika? |
Ho ao amin’ny ôtelin’Andriamanitra, ho ao amin’ilay Andriamanitra fifalifaliako amam-piravoravoako, ary hidera Anao amin’ny harpa aho, ry Andriamanitra, Andriamanitro ô!
Indro anefa tianao mba ho ao anatin’ny fo ny fahitsiana; dia ampahafantaro ahy, ato anatiko, ny fahendrena.
Dia hikafankafana izy, amin’izany andro izany, hanao hoe: «Tsy te-ho mpanasitrana aho, fa tsy mana-mofo na lamba ao an-tranoko akory, ka aza ataonareo lehiben’ny vahoaka.»
Mietrà, mitolokoa, ianareo mpisorona; midradradradrà ianareo mpanao ny fanompoana momba ny ôtely! Avia hiari-tory mitafy lasàka, ianareo mpandraharahan’ny Andriamanitro, fa ny fanatitra amam-panatitra araraka dia voatana lavitra ny tranon’ny Andriamanitrareo.