Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Joela 1:15 - Baiboly Katolika

15 ka mitaraina amin’i Iaveh hoe: «Indrisy, ity andro ity! Fa efa antomotra ny andron’i Iaveh! Tamy toy ny fandravana avy amin’ny Tsitoha!»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO ka tahaka ny fandringanana avy amin’ny Tsitoha no fiaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

15 Indrisy efa antomotra ny andro, dia ny androm-pahatezeran’ny TOMPO izay ho tahaka ny fandringanana avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

15 Indrisy efa antomotra ny andro, dia ny androm-pahatezeran’ny TOMPO izay ho tahaka ny fandringanana avy amin’ilay Andriamanitra Tsitoha.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron’i Jehovah, Ka tahaka ny loza tsy toha avy amin’ny Tsitoha no fihaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny andron'i Jehovah, ka tahaka ny loza tsy toha avy amin'ny Tsitoha no fihaviny.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

15 Indrisy ny andro! Fa efa antomotra ny Andron’NY TOMPO ka tahaka ny fandringanana avy amin’ny Tsitoha no fiaviny.

Jereo ny toko dika mitovy




Joela 1:15
18 Rohy Ifampitohizana  

Fa ny Tompo kosa mihomehy ny ratsy fanahy, satria hitany fa tonga ny androny.


Loza! fa lehibe izany andro izany, ka tsy misy toa azy! Andro fahoriana ho an’i Jakôba izany, kanefa hoafahana amin’izany izy.


Fa andron’ny Tompo Iavehn’ny tafika ity, andro famaliana, hamaliany ny fahavalony! Mihinana ny sabatra ka mivoky, etsaky ny ran’ireny izy; fisoronana ho an’ny Tompo Iavehn’ny tafika izao, any amin’ny tany avaratra amoron’ny ony Eofrata.


Fa efa antomotra ny andro; antomotra ny andro ho an’i Iaveh! Andron-drahona! Io no fotoan’ny firenena!


Ampandrenesin’i Iaveh ny feony eo amin’ny loha tafiny; fa tsy erany ny haben’ny tobiny, ary mahery fo ny mpanatanteraka ny teniny. Fa lehibe sy mahatahotra indrindra ny andron’i Iaveh, ka zovy no hahatanty an’izany?


Fa efa akaiky ny andron’i Iaveh amin’ny firenena rehetra; ka toraky ny nataonao no hatao aminao; hitsingerina ho eo an-dohanao, ny asanao.


Mangina eo anatrehan’ny Tompo Iaveh, fa efa akaiky ny andron’i Iaveh, satria efa nanomana sorona i Iaveh, efa nanamasina ny olo-nasainy Izy.


Aza mifampimonomonona, ry kristianina havako, fandrao dia helohina ianareo. Indro, efa mby eo am-baravarana anie ny mpitsara!


fa tonga ny Androm-pahatezerany lehibe, ka iza no mahajanona?»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra