Joda 1:11 - Baiboly Katolika Mila loza ireo, fa tafiditra amin’ny lalan’i Kaina izy, sy tafahitsoky ny tamby amin’ny hadisoan’i Balaama, ary nanary tena amin’ny fikomian’i Kôre. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Hahita loza izy! Fa ny lalan’i Kaina no nandehanany; tamin’ny lalan-dison’i Balama no nihazakazahany mba hahazoany tamby, ary ny fikomian’i Kora no naharingana azy! DIEM PROTESTANTA Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Hahita loza ireo, fa nizotra tamin’ny lalana efa nizoran’i Kaina, nihitsoka tamin’ny hadisoana efa nahavoa an’i Balahàma mba hahazoana tamby, ary efa ringana tamin’ny fikomiana nataony toy ny naharingana an’i Kôrà. Baiboly Protestanta Malagasy Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin’ny làlan’i Kaina, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan’i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin’ny fiodinan’i Kora izy. Malagasy Bible Hahita loza izy! fa efa nandeha tamin'ny lalan'i Kama, sady efa nimaona fatratra hanaraka ny fahadisoan'i Balama hahazoany tamby, ary efa ringana tamin'ny fiodinan'i Kora izy. La Bible en Malgache Hahita loza izy! Fa ny lalan’i Kaina no nandehanany; tamin’ny lalan-dison’i Balama no nihazakazahany mba hahazoany tamby, ary ny fikomian’i Kora no naharingana azy! |
Loza ho an’ny ratsy fanahy! fa hidiran-doza izy, fa haverina aminy ny nataon’ny tanany.
Ny toetry ny tarehiny no miampanga azy ireo; mampiharihary ny fahotany, tahaka an’i Sôdôma izy, fa tsy miery amin’izany akory. Loza ho an’ireo fa ny tenany no fototry ny fahaverezany.
Ny fijangajanganao, ny fanenonao, ny fanoloranao vatana ho amin’ny asa vetaveta, eny amin’ny havoana, eny an-tsaha eny, ny fahavetavetanao rehetra dia hitako avokoa. Loza ho anao, ry Jerosalema! Maloto ianao, ka mbola haharitra mandra-pahoviana izany?
Izao no tenin’i Iaveh Tompo: Loza ho an’ny mpaminany adala, izay manaraka ny sainy fotsiny, fa tsy mahita na inona na inona!
Tsarovy àry, ry vahoakako, ny hevitra nomen’i Balàka, mpanjakan’i Moaba, sy ny navalin’i Balaama, zanak’i Beôra, azy. Tsarovy ny hatrany Setima ka hatrany Galgalà, hahafantaranao ny fahamarinan’i Iaveh.
Loza ho an’ny mpiandry tsinontsinona, izay mandao ny ondry! Aoka hasian’ny sabatra ny sandriny sy ny masony ankavanana; ka ny sandriny ho maina, ary ny masony ankavanana ho faty!»
Ireo ihany anefa, noho ny tenin’i Balaama, no nitarika ny zanak’i Israely hivadika tamin’i Iaveh tamin’ilay raharaha tamin’i Fogôra, ka voan’ny loza tamin’izay ny fiangonan’Iaveh;
ka nataony hoe: «Mila loza ianao, ry Kôrôzaina, ry Betsaida! fa raha izay no tany Tira sy Sidona no natao ny fahagagana natao taminareo, dia efa ho nibebaka ela tamin’ny akanjo malailay sy tamin’ny lavenona izy.
Ny Amônita sy ny Moabita dia tsy hiditra amin’ny fiangonan’i Iaveh, na dia hatramin’ny taranany fahafolo aza, dia tsy hiditra ny fiangonan’i Iaveh na oviana na oviana; satria tsy tonga nitsena hanina sy rano anareo izy teny an-dalana, fony ianareo nivoaka avy tany Ejipta: sady nampaka sy nanamby vola an’i Balaama, zanak’i Beôra avy any Petôra, any Mesôpôtamia, hanozona anao.
Ny finoana no nanoloran’i Abela tamin’Andriamanitra sorona tsaratsara kokoa noho ny an’i Kaina, sy nilazana azy hoe marina, fa nankatoavin’Andriamanitra ny fanatitra nataony; ary noho izany ihany koa, na dia maty aza izy, dia mbola miteny ihany.
Niala tamin’ny lalan’i Balaama zanak’i Bôsôra, izay nankasitraka ny tambin’ny tsy fahamarinana,
fa tsy mba hanahaka an’i Kaina izay avy amin’ilay ratsy ka namono nahafaty ny rahalahiny. Ary ahoana moa no namonoany azy? - Dia satria ratsy ny asany, fa ny an’ny rahalahiny kosa dia marina.
Manan-teny kely aminao anefa Aho, fa ao aminao dia misy mitana ny fampianaran’i Balaama, izay nanome fo an’i Balàka hanisy fanafintohinana eo anoloan’ny zanak’i Israely, mba hitarika azy hihinan-kena naterina tamin’ny sampy sy hijangajanga.