Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 9:13 - Baiboly Katolika

Fa nizotra izy ireo araka ny ditran’ny fony, sy nanaraka an’i Baala, izay natoron’ny razany azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

fa nandeha araka ny ditran’ny fony sy nanaraka ireo Baala araka izay nampianarin’ny razany azy,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

nikiry tamin’ny ditram-pony hanao ratsy izy, ka nifikitra tamin’i Bahala izay efa nanazaran’ny razany azy.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

nikiry tamin’ny ditram-pony hanao ratsy izy, ka nifikitra tamin’i Bahala izay efa nanazaran’ny razany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa nandeha araka ny ditry ny fony Sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin’ny razany azy,–

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa nandeha araka ny ditry ny fony sy nanaraka ireo Bala araka izay nampianarin'ny razany azy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

fa nandeha araka ny ditran’ny fony sy nanaraka ireo Baala* araka izay nampianarin’ny razany azy,

Jereo ny toko



Jeremia 9:13
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa raha mivily kosa ianareo, ka mahafoy ny didy aman-dalàko, izay nataoko teo anoloanareo, ka mandeha manompo andriamani-kafa, sy miankohoka eo anatrehan’ireny;


Koa ankehitriny, ry Andriamanitra ô, ahoana no holazainay manaraka izany? Fa efa nahafoy ny didinao izahay;


Azon’ny hatezerana aho noho ny amin’ny ratsy fanahy, izay mahafoy ny lalànao.


Ny mahafoy ny lalàna, mandoka ny ratsy fanahy; fa ny manara-dalàna kosa mitezitra aminy.


Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.


Ary hataon’ny olona hoe: Satria nahafoy ny faneken’i Iaveh Andriamaniny izy ireo, ka niankohoka teo anatrehan’ny andriamani-kafa sy nanompo ireny.»


Ary raha tahiny ianareo manao hoe: Nahoana i Iaveh Andriamanitsika, no dia manao toy izao aminay? Izao no lazainao aminy: Toy ny nahafoizanareo ahy, hanompoanareo andriamani-kafa eo amin’ny taninareo, no hanompoanareo olon-kafa, eo amin’ny tany tsy anareo.»


kanefa izy ireo tsy nihaino Ahy, tsy nanongilan-tsofina; fa nanamafy ny hatony, nanao ratsy mihoatra noho ny razany aza.