Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 8:7 - Baiboly Katolika

Ny vano eny amin’ny habakabaka aza mahalala ny fotoan’androny, ny domohina aman-tsindintsidina mbamin’ny vanobe, samy mitandrina ny fotoam-piverenany koa; fa ny vahoakako kosa, tsy mahalala ny lalàn’i Iaveh.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Na dia ny vano aza dia mahalala ny fotoanandro fifindrany lasy; ary ny domohina sy ny sidintsidina mbamin’ny tsikorovana koa samy mitandrina ny fotoana fiverenany, fa ny vahoakako kosa tsy mahalala ny fitsipiko.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan’androny, Ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa Samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik’i Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Na dia ny vano eny amin'ny lanitra aza dia mahalala ny fotoan'androny, ary ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa samy mitandrina ny fotoana fihaviany; Fa ny oloko kosa tsy mba mahalala ny fitsipik'i Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Na dia ny vano eny amin’ny lanitra aza dia mahalala ny fotoanandrony, ny domohina sy ny sidintsidina ary ny vanobe koa dia samy mitandrina ny fotoana fiverenany avy; fa ny oloko kosa dia tsy mba mahalala ny fitsipiky NY TOMPO.

Jereo ny toko



Jeremia 8:7
10 Rohy Ifampitohizana  

Ny voninkazo efa miposaka amin’ny tany; ny fotoana fihirana efa tonga. Ny feon-domohina efa re eny an-tsahantsika;


Ny omby mahalala ny tompony; ary ny ampondra, ny fihinanam-bilon’ny tompony; fa i Israely kosa tsy manam-pahalalana, ny vahoakako tsy mba manan-tsaina.»


Rehefa maina ny rantsan-kazo dia tapahina; ka dia avy ny vehivavy hitaina azy. Fa firenena tsy hendry izy, ka tsy hamindra fo aminy Ilay nanao azy, ary tsy hiantra azy Ilay namorona azy.


Harpa amam-baliha sy langoroany, ary sodina aman-divay, dia izay no fanasan’izy ireo; fa ny asan’i Iaveh tsy asiany fiheverana, ary ny ataon’ny tanany tsy jereny akory.


Izany, dia noho ny hadalan’ny vahoakako! Fa tsy mba mahalala Ahy akory izy ireo; zaza tsy misy saina, sy tsy manam-pahalalana izy, ka ny manao ratsy no mahakinga azy; fa ny manao soa tsy fantany akory.


Noho izany ny liona avy any an’ala mamely azy; ny amboadia avy any an’efitra mandringana azy; ny pantera mamitsaka eo anoloan’ny tanànany, ka izay mivoaka avy ao voaviravira avokoa; satria efa maro ny hadisoany, ary efa betsaka ny fiodinany.


noho izany maty ny lalàna, ary tsy mahita mangirana ny fahamarinana; fa solokian’ny ratsy fanahy ny marina, ka rariny mivaona no mivoaka.


Ary natopiko ny masoko, dia nahita aho. Ary indro nisy vehivavy roa niseho, ka ny rivotra, nitsoka tamin’ny elany; nanana elatra toy ny an’ny vano izy; ary ny efah nentiny ho eo anelanelan’ny lanitra sy ny tany.