Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 7:22 - Baiboly Katolika

fa tsy misy nolazaiko tamin’ny razanareo, na nandidiako azy ireo, tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy any amin’ny tany Ejipta, ny amin’ny sorona dorana sy ny sorona.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa tsy niteny na nandidy momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa tamin’ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Fa raha nitondra ny razanareo niala tany Ejipta Aho, dia tsy nilaza taminy akory na nangataka azy hanao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Fa raha nitondra ny razanareo niala tany Ejipta Aho, dia tsy nilaza taminy akory na nangataka azy hanao sorona dorana manontolo na sorom-pihavanana.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa tsy ny amin’ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa No nitenenako tamin’ny razanareo na nandidiako azy Tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Egypta;

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa tsy ny amin'ny fanatitra dorana sy ny fanatitra hafa no nitenenako tamin'ny razanareo na nandidiako azy tamin'ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin'ny tany Egypta;

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa tsy niteny na nandidy momba ny fanatitra dorana manontolo sy ny fanatitra hafa tamin’ny razanareo Aho tamin’ny andro nitondrako azy nivoaka avy tany amin’ny tany Ejipta.

Jereo ny toko



Jeremia 7:22
9 Rohy Ifampitohizana  

Nohamaroinao, ry Iaveh Andriamanitro, ny zava-mahagaga aman-kevitra voakasanao anasoavanao anay; tsy misy azo ataha Aminao. Maniry hitory sy hanambara an’ireny aho, fa mihoatra ny azo lazaina Izy.


Satria ny zanak’i Israely aman-janak’i Jodà, tsy nanao afa-tsy izay ratsy teo imasoko, hatramin’ny fahatanorany; ary ny zanak’i Israely tsy nanao afa-tsy izay hampahatezitra Ahy tamin’ny asan’ny tanany, - teny marin’i Iaveh. -


Fa ny fitiavam-bavaka no sitrako fa tsy ny sorona; ary ny fahalalana an’Andriamanitra mihoatra noho ny sorona dorana.


Mandehana àry ianareo, ka fantaro ny hevitr’izao teny izao: Ny famindram-po no sitrako, fa tsy ny sorona; fa tsy tonga hiantso ny marina Aho, fa ny mpanota.»


ka ny tia Azy amin’ny fo manontolo, sy amin’ny fanahy manontolo, ary amin’ny hery manontolo, ary ny tia namana tahaka ny tena, dia lehibe lavitra noho ny sorona dorana rehetra sy ny fanatitra hafa rehetra.»


ka lasa mankamin’andriamani-kafa, hanompo azy sy hiankohoka eo anatrehany, dia eo anatrehan’ny masoandro na ny volana na ny zava-drehetra milahatra eny an-danitra, izay tsy nasaiko hatao;


Fa hoy i Samoela: «Moa sitrak’i Iaveh tahaka ny fanekena ny tenin’i Iaveh va ny sorona dorana sy ny fanatitra? Tsara noho ny sorona ny fanekena, ary ny fanoavana noho ny saboran’ondralahy.