Noho izany izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: «Tsy hiditra amin’izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipìka ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy.
Jeremia 6:6 - Baiboly Katolika Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Kapao ny hazony; manaova tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io no tanàna hovaliana, fa tsy misy afa-tsy faharatsiana ao anatiny. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io ilay tanàna hovaliana, fa feno fampahoriana ny ao anatiny. DIEM PROTESTANTA Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Fa izao no lazain’i Jehovah, Tompon’ny maro; Kapao ny hazo, Ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, Feno fampahoriana ny ao anatiny. Malagasy Bible Fa izao no lazain'i Jehovah, Tompon'ny maro; Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an'i Jerosalema; Io ilay tanàna hovaliana, feno fampahoriana ny ao anatiny. La Bible en Malgache Fa izao no lazain’Andriamanitra, Tompon’izao rehetra izao: Kapao ny hazo, ary manandrata tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io ilay tanàna hovaliana, fa feno fampahoriana ny ao anatiny. |
Noho izany izao no lazain’i Iaveh, ny amin’ny mpanjakan’i Asiria: «Tsy hiditra amin’izany tanàna izany izy, na handefa zana-tsipìka ao aminy, na hanangana ampinga eo anoloany, na hanandratra tovon-tany hamelezana azy.
Fa isaky ny miteny aho, dia manao antso avo, manambara loza sy fandringanana, ka ny tenin’i Iaveh tonga fandatsàna sy fihomehezana ahy isan’andro.
Fa ny masonao amam-ponao tsy mihevitra afa-tsy ny tenanao, mbamin’ny ra tsy manan-tsiny, handatsahana azy sy ny fampahoriana ary fanaovana an-keriny, hanatanterahana izany.
Indro ny tovon-tany hanafahana ny tanàna, efa mahatakatra azy, ary ny tanàna efa hatolotra eo an-tanan’ny Kaldeanina izay mamely azy, amin’ny sabatra, ny mosary sy ny pesta; dia tanteraka izay nolazainao, ka mahita izany Ianao.
Fa ity tanàna ity tsy nanao afa-tsy izay hampirehitra ny hatezerako amam-pahavinirako, hatramin’ny andro nanorenany azy ka mandraka androany, mba hanesorako azy tsy ho ao anatrehako;
Fa izao no lazain’i Iaveh Andriamanitr’i Israely, ny amin’ireo trano eto amin’ity tanàna ity, mbamin’ireo tranon’ny mpanjakan’i Jodà izay nazera hanatrehana ny milina fiadiana sy ny sabatra;
Tamin’ny volana fahafolo, amin’ny taona fahasivy nanjakan’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, dia tonga teo anoloan’i Jerosalema i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, mbamin’ny tafiny rehetra, ka nanao fahirano azy.
Tsy hasiako saziny va izany heloka izany? - teny marin’i Iaveh; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!...
Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany! - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?
Ataovy fahirano izy; manaova tilikambo hamelezana azy; manandrata tovon-tany hikatrohana aminy; manorena toby manodidina azy; ary ametraho lohondry vy manodidina azy.
Izao no lazain’i Iaveh, Tompo: Iny ilay Jerosalema nataoko eo afovoan’ny firenena, ary faritany malalaka no manodidina azy.
Ka ho avy aminao ny andro hanaovan’ny fahavalonao hady manodidina anao; hosaronany ianao sy hotereny hatraiza hatraiza,