Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 51:54 - Baiboly Katolika

Injany misy horakoraka manako any amin’i Babela any: loza lehibe any amin’ny Kaldeanina!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Injany misy feo mitaraina avy any Babilona ary fandringanana be avy any amin’ny tanin’ny Kaldeana!

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Misy feo miantso vonjy avy any Babilôna: fandringanana goavana no re avy ao amin’ny taniny.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Misy feo miantso vonjy avy any Babilôna: fandringanana goavana no re avy ao amin’ny taniny.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin’ny tanin’ny Kaldeana!

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Injany! misy feo mitaraina avy any Babylona sy fandringanana be avy any amin'ny tanin'ny Kaldeana!

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Injany misy feo mitaraina avy any Babilona ary fandringanana be avy any amin’ny tanin’ny Kaldeana!

Jereo ny toko



Jeremia 51:54
10 Rohy Ifampitohizana  

Ory an’i Moaba ny foko; efa mby ao Segôra sahady ny mpiaro azy, efa ao Eglata-Selisiah. eny, mitomany izy no miakatra ny fiakarana Lohita; eny amin’ny lalan’i Hôrônaima, manao antsom-pahoriana ny olona.


Toy ny firehitry ny hainandro amin’ny tany karankaina, no amolahanao ny fidohadohan’ny barbarianina. Toy ny andresen’ny aloky ny rahona ny firehitry ny hainandro, no handresena ny akoram-pandresen’ny mpampahory.


Fikotrokotrok’ady eny amin’ny tany sy fandringanana be!


Vonoy avokoa ireo ombalahy, aoka hidina ho any am-pamonoana izy. Loza ho azy fa tonga ny androny, dia ny fotoana hamangiana azy.


Nandre izany ny mpanjakan’i Babela dia niraviravy tanana, nandry andriran’antsy, tra-panaintainana toy ny vehivavy eo am-piterahana.


Mihorohoro ny tany, rehefa re fa hoe azo i Babela, ka misy antso re any amin’ny firenena.


Amin’izany andro izany dia izao no hatao, - teny marin’i Iaveh: - Hisy antsoantso hitatatata avy ao am-bavahadin’ny hazandrano; hisy hitarainana, avy ao an-tanàna faharoa; ary hisy kotrokotroka be avy amin’ny havoana.