Jeremia 51:4 - Baiboly Katolika Aoka hisy maratra ho faty, lavo amin’ny tanin’ny Kaldeanina, ary voatrobaka eny an-dalamben’i Babela. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 mba hiampatrampatra any amin’ny tanin’ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra eny an-dalamben’i Babilona. DIEM PROTESTANTA Eny amin’ny tanin’i Babilôna dia hiampatrampatra ireo maratra, ary eny an-dalambeny no hitsitsitra ireo maty an’ady. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Eny amin’ny tanin’i Babilôna dia hiampatrampatra ireo maratra, ary eny an-dalambeny no hitsitsitra ireo maty an’ady. Baiboly Protestanta Malagasy Mba hiampatrampatra any amin’ny tanin’ny Kaldeana ny faty, Ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dàlambeny. Malagasy Bible Mba hiampatrampatra any amin'ny tanin'ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra any an-dalambeny. La Bible en Malgache mba hiampatrampatra any amin’ny tanin’ny Kaldeana ny faty, ary izay voatrobaka dia hiampatrampatra eny an-dalamben’i Babilona. |
fa ianao kosa nariana lavitry ny fasanao, toy ny sampana atao tsinontsinona, tototry ny maty novonoina tamin’ny sabatra, sy voavarina any amin’ny sola-baton’ny hantsana manjombona, tahaka ny faty voahosihosy.
Koa ho lavo eny amin’ny kianjany ny zatovony, mbamin’ny miaramilany rehetra, fa ho faty amin’izany andro izany izy ireo, - teny marin’i Iavehn’ny tafika. -
Koa noho izany, ny zatovony ho lavo eny amin’ny kianjany, ary ny lehilahy mpiadiny rehetra ho ringana avokoa, amin’izany andro izany, - teny marin’i Iaveh. -
Sabatra hamely ny soavaly aman-kalesiny, mbamin’ireo fakofakon’olona rehetra izay eo afovoany, ka aoka ho toy ny vehivavy ireny! Sabatra hamely ny rakiny, ka aoka horobaina ireny!
Na hisondrotra hatrany an-danitra aza i Babela, na hataony tsy azo anihina aza ny tranony mimanda avo, dia ho tongan’ny mpandrava ihany izy, noho ny didiko, - teny marin’i Iaveh. -