Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 50:41 - Baiboly Katolika

Indro misy firenena avy any avaratra; firenena lehibe, omba-mpanjaka maro, no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro izay mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Indro misy vahoaka tonga avy any avaratra dia firenen-dehibe iray; ary mpanjaka mahery no miainga avy any am-paran’ny tany.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Indro misy vahoaka tonga avy any avaratra dia firenen-dehibe iray; ary mpanjaka mahery no miainga avy any am-paran’ny tany.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Indro, misy firenena avy any avaratra, Dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro no mitsangana avy any amin'ny faran'ny tany.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Indro, misy firenena avy any avaratra, dia firenena lehibe sy mpanjaka maro izay mitsangana avy any amin’ny faran’ny tany.

Jereo ny toko



Jeremia 50:41
11 Rohy Ifampitohizana  

Fa hampanompoin’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe kosa indray izy ireo, ka dia hovaliako araka ny nataony sy ny asan’ny tanany avy.


Fa indro Aho hanainga sy handefa hamely an’i Babela ny fitambaran’ny firenena lehibe avy amin’ny tany any avaratra. Hilahatra hiady aminy ireny ka hahafaka azy avy any; ny tsipìkany dia tsipìkan’ny mpiady mahery izay tsy mba miverina mitondra tanam-polo.


Ranito ny zana-tsipìka; misaròna ny ampinganareo! Efa nanetsika ny fanahin’ny mpanjakan’i Media i Iaveh; fa ny fiheviny an’i Babela dia ny handrava azy. Fa izany no valim-bonoana hataon’i Iaveh dia ny hamaliany noho ny amin’ny Tempoliny.


Ny tandroka folo efa hitanao tamin’ilay Biby kosa, no hankahala an-dRavehivavy janga, ka hampijaly sy hampitanjaka azy, ary hihinana ny nofony sy handevona azy amin’ny afo.