Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 5:29 - Baiboly Katolika

Tsy hasiako saziny va izany heloka izany? - teny marin’i Iaveh; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!...

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Tsy hovaliako amin’izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko



Jeremia 5:29
7 Rohy Ifampitohizana  

Ny vato kilonjy eny an-dohasahan-driaka, no anjaranao, izany dia izany no anjaranao! Fa ireny avy no nanidinanao fanatitra araraka, sy notoloranao fanatitra! Moa tsy maintsy hahafa-po Ahy va izany?


ny helokareo mbamin’ny heloky ny razanareo, hoy i Iaveh, ny razanareo izay nandotra emboka, teny an-tendrombohitra, sy naniratsira Ahy teny amin’ny havoana; hafatrako ao an-tratrany, ny valin’ny fitondran-tena nataony.


Koa tsy hosaziko va izy amin’izany heloka izany! - teny marin’i Iaveh, - ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako?


Fa izao no lazain’i Iavehn’ny tafika: Kapao ny hazony; manaova tovon-tany hamelezana an’i Jerosalema; io no tanàna hovaliana, fa tsy misy afa-tsy faharatsiana ao anatiny.


Ny tendrombohitra dia hanaovako fitarainana sy fitomaniana, ny tanim-bilona any an’efitra hanaovako hira fisaonana! Fa may ireny, ka ny olona tsy mandalo ao intsony; ny feom-biby fiompy tsy re ao intsony; ny voromanidina amam-biby fiompy nandositra tsy misy intsony.


Hanatona anareo Aho ho amin’ny fitsarana; ary ho vavolombelona faingana hamely ny mpanao ody, ny mpaka vadin’olona, ny mpianian-tsy to, ny mpiharaka ny karaman’ny mpikarama, ny mpampahory ny kamboty sy ny mpitondratena, ny mandroaka ny vahiny ary ny tsy matahotra Ahy, hoy i Iavehn’ny tafika.


Indro, mitaraina ny karaman’ny mpiasa nijinja ny taninareo izay nofetsenareo; ary efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’ny tafika ny fitarainany.