Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 5:29 - DIEM PROTESTANTA

29 Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

29 Tsy hampamoahiko amin’izany va izy? Hoy NY TOMPO; tsy hanamparako ny fahatezerako va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

29 Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

29 Tsy hasiako saziny va izany heloka izany? - teny marin’i Iaveh; ary izay firenena toy izany va tsy hovaliako!...

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

29 Tsy hovaliako amin’izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

29 Tsy hovaliako amin'izany va izy? hoy Jehovah; Tsy hialako fo va ny firenena toy izany?

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 5:29
7 Rohy Ifampitohizana  

Koa ny vatokilonjy eny amin’ny lohasahan-driaka no indreo zavatra ifikiranao, ry Israely; eny, ireny tokoa no zavatra ifikiranao! Fa ireny no andrarahanao fanatitra divay sy anoloranao fanatitra hohanina; ka dia hahatsindry fo ve Izaho Tompo amin’izany toe-javatra izany?


ka indray hatsingeriko aminy, hoy Aho, ny heloka vitany sy ny heloky ny razany. Satria ireto koa efa nandoro zava-manitra mifangaro ho an’ny sampy teny an-tendrombohitra sy nihantsy Ahy teny amin’ny havoana; ka dia ho fatra mitafotafo mihitsy no hasetriko ny fitondrantenany fahiny!


Koa tsy hirotsaka an-tsehatra hamely ireny olona ireny ve Aho, ka hamaly faty ny firenena toy izany, hoy ny teny hentitry ny TOMPO?


Izao no lazain’ny TOMPOn’izao rehetra izao amin’ireto mpanafika an’i Tsiôna: «Mikapà hazo hanaovana tovon-tany mba hamelezana an’i Jerosalema.» Iharan-tsazy io tanàna io fa feno fampahoriana ao aminy.


Noho ny amin’ny tendrombohitra no hitomaniako sy hitarainako, ary noho ny amin’ny kijana any an-taniefitra no hanaovako hira fisaonana, satria voadoro avokoa izy rehetra ka tsy andalovan’olona intsony. Tsy re any intsony ny fitrenan’ny andian’omby; ary samy lasa nandositra avokoa ny voro-manidina sy ny bibidia.


Ary hoy ny TOMPOn’izao rehetra izao hoe: «Ho avy eo aminareo Aho mba hitsara anareo. Ho dodona Aho hanameloka ny mpanao majika, ny mpanitsakitsa-bady, ny mpianiana lainga, ny mpamaly karaman’ny mpiasa, ny mpamoritra mpitondratena sy kamboty na koa ny mpampahory vahiny, dia izay rehetra tsy manaja Ahy.»


Tsy voaloanareo akory ny karaman’ireo mpiasa nijinja ny taninareo, ka mitaraina ireo; ary ny fitarainan’ireo mpijinja dia efa mby ao an-tsofin’ny Tompon’izao rehetra izao.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra