Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy, fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina; satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh, hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.
Jeremia 49:6 - Baiboly Katolika Rehefa afaka anefa izany, mbola hampodiko ny voababo amin’ny taranak’i Amôna, - teny marin’i Iaveh. - Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary rehefa afaka izany dia hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany ny taranak’i Amona, hoy NY TOMPO. DIEM PROTESTANTA Rehefa afaka izany vao hampodîko avy amin’ny fahababoany ny Hamônita. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.» Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Rehefa afaka izany vao hampodîko avy amin’ny fahababoany ny Hamônita. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.» Baiboly Protestanta Malagasy Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin’ny fahababoana ny taranak’i Amona, hoy Jehovah. Malagasy Bible Ary rehefa afaka izany, dia hampodiko ihany avy amin'ny fahababoana ny taranak'i Amona, hoy Jehovah. La Bible en Malgache Ary rehefa afaka izany dia hampodiko avy amin’ny fahababoana ihany ny taranak’i Amona, hoy NY TOMPO. |
Ary hatokana ho an’i Iaveh ny tombom-barony sy ny tanginy, fa tsy hangonina hiavosa na hotahirizina; satria ny azony dia ho an’ireo monina eo anatrehan’i Iaveh, hohaniny sy hivokisany ary hihaingoany fatratra.
Saingy rehefa voaongotro, dia hiantrako indray izy ireo. Ka samy hoentiko ho any amin’ny lovany, samy ho any amin’ny taniny avy.
Ary hatolotra eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy ireo, dia eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Fa any aorian’izany, vao honenana izy, toy ny tamin’ny andro taloha, - teny marin’i Iaveh.
Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba, any amin’ny farandro any, - teny marin’i Iaveh. - Hatreto ny fitsarana an’i Moaba.
Nefa any amin’ny farandro any, hampodiko ny voababo tamin’i Elama, - teny marin’i Iaveh. -
Hampodiko ny lasan-ko babo tamin’izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin’i Sôdôma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin’i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anao lasan-ko babo koa eo amin’ny azy,