Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 46:26 - Baiboly Katolika

26 Ary hatolotra eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy ireo, dia eo an-tanan’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Fa any aorian’izany, vao honenana izy, toy ny tamin’ny andro taloha, - teny marin’i Iaveh.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

26 ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

26 Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

26 Hatolotro eo an-tanan’ireo mitady hahafaty azy izy, dia i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna mbamin’ireo miaramilany. Rehefa afaka izany, vao hiverina amin’ny laoniny toy ny taloha i Ejipta. Izany no teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

26 Ary hatolotro eo an-tànan’izay mitady ny ainy izy, Dia eo an-tànan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, Sy eo an-tànan’ny mpanompony. Ary aorian’izany, dia handry fahizay toy ny tamin’ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

26 Ary hatolotro eo an-tànan'izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tànan'i Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, sy eo an-tànan'ny mpanompony; Ary aorian'izany, dia handry fahizay toy ny tamin'ny andro fahiny ihany izy, hoy Jehovah.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

26 ary hatolotro eo an-tanan’izay mitady ny ainy izy, dia eo an-tanan’i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, sy eo an-tanan’ny mpanompony. Ary aorianan’izany, dia ho azo honenana toy ny tamin’ny andro fahiny ihany indray izy, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 46:26
7 Rohy Ifampitohizana  

Hatolotro ho an-tanan’ny tompo lozabe i Ejipta ary mpanjaka mahatahotra no hizaka azy, - teny ton’i Iavehn’ny tafika.


Izao no lazain’i Iaveh: Indro Aho manolotra an’i HôfràFaraôna, mpanjakan’i Ejipta, eo an-tanan’ny fahavalony, sy eo an-tanan’izay mitady ny ainy; toy ny nanolorako an’i Sedesiasa, mpanjakan’i Jodà, tamin’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, fahavalony sy nitady ny ainy.»


Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba, any amin’ny farandro any, - teny marin’i Iaveh. - Hatreto ny fitsarana an’i Moaba.


Nefa any amin’ny farandro any, hampodiko ny voababo tamin’i Elama, - teny marin’i Iaveh. -


Fa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ny sabatry ny mpanjakan’i Babilôna, ho tonga aminao!


Amin’izany andro izany ny tranobongon’i Davida efa nianjera, hatsangako indray, ny banga hotampenako, ny rava hamboariko; ka haoriko indray ho tahaka ny tamin’ny andro taloha;


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra