Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 46:27 - Baiboly Katolika

27 Ary ianao, aza matahotra, ry Jakôba, mpanompoko, aza manam-badi-po, ry Israely. Indro ianao, halaiko avy any an-tany lavitra, ary ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry fehizay, tsy misy mpanaitaitra.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

27 Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Israely! Fa indro, hovonjeko avy any amin’ny tany lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; dia hiverina i Jakoba ka hiadana, eny, handry fehizay izy ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

27 Aza matahotra kosa ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko. Aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakao avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

27 Aza matahotra kosa ianareo, ry taranak’i Jakôba mpanompoko. Aza kivy ianao, ry firenena Israely, fa indro Aho hamonjy anao avy any amin’ny faritany lavitra any; indro Aho hamonjy ireo taranakao avy any amin’ny tany izay nahababo azy. Hiverina ianareo, ry taranak’i Jakôba, ka hiadana sy handry feizay fa tsy hisy hanaitaitra intsony.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

27 Fa aza matahotra hianao, ry Jakoba mpanompoko, Ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin’ny lavitra hianao, Ary ny taranakao avy any amin’ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, Eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

27 Fa aza matahotra ianao, ry Jakoba mpanompoko, ary aza mivadi-po, ry Isiraely; Fa, indro, hovonjeko avy any amin'ny lavitra ianao, ary ny taranakao avy any amin'ny tany nahababo azy; Dia hiverina Jakoba ka hiadana, eny, handry fahizay izy, ka tsy hisy hanaitaitra azy.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 46:27
24 Rohy Ifampitohizana  

Ary amin’ny andro hampitsaharan’i Iaveh anao amin’ny fisasarana aman-tebitebinao, sy amin’ny fanompoana mafy nampanaovina anao,


Ary ankehitriny, izao no lazain’i Iaveh, dia ilay nahary anao, ry Jakôba, sy namorona anao, ry Israely: «Aza matahotra fa Izaho efa nanavotra anao, Izaho efa niantso anao amin’ny anaranao, ka Ahy ianao!


Aza matahotra fa momba anao Aho, hamerina ny taranakao avy any Atsinanana Aho, ary hanangona anao avy any Andrefana.


Ary ankehitriny, mihainoa, ry Jakôba mpanompoko sy ianao, ry Israely voafidiko.


Izao no lazain’i Iaveh, izay nanao anao, sy namorona anao hatrany am-bohoka, sady namonjy anao: «Aza matahotra, ry Jakôba mpanompoko, ry Israeliko, izay nofidiko!


Amin’ny androny, i Jodà hovonjena; i Israely handry feizay; ary izao no anarana hanononana azy: Iaveh-fahamarinantsika.


ka hety ho hitanareo Aho, - teny marin’i Iaveh, - hampodiko ny babo aminareo, ary hangoniko avy any amin’ny firenena rehetra ianareo sy avy amin’ny fitoerana rehetra nandroahako anareo, - teny marin’i Iaveh, - dia haveriko amin’ity fitoerana nanesorako anareo ity indray.


Indro hangoniko izy ireo avy any amin’ny tany rehetra nandroahako azy azon’ny hatezerako amam-pahavinirako sy fisafoahako mafy; haveriko amin’ity fitoerana ity indray izy, ary hataoko mandry feizay eto.


Amin’izany andro izany i Jodà hovonjena; ary i Jerosalema handry feizay, ka hantsoina hoe: «Iaveh-fahamarinantsika».


Dia hampodiko ho any amin’ny fonenany indray i Israely ka hiraotra eny Karmela sy eny Basàna izy; ary eny an-tendrombohitr’i Efraima sy i Galaada, izy no handeha hivoky.


Aza reraka foana ny fonareo, aza matahotra, noho ny tsaho izay ho re honohono amin’ny tany! Fa hisy tsaho hitranga amin’ny taona iray, ary hisy tsaho hafa kosa, amin’ny taona manaraka izay; dia hisy fifamelezana mafy amin’ny tany, mpanapaka manao jadona mifanohitra.


Hampodiko ny lasan-ko babo tamin’izy ireo, dia ny lasan-ko babo tamin’i Sôdôma sy ny zanany vavy, ny lasan-ko babo tamin’i Samaria sy ny zanany vavy, ary ny anao lasan-ko babo koa eo amin’ny azy,


Halaiko avy any amin’ny firenena ianareo, hangoniko avy any amin’ny tany rehetra ka hampodiko eo amin’ny taninareo.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin’ny taranak’i Jakôba, hamindrako fo ny taranak’i Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasaro-piaroko ny Anarako Masina.


Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra