Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:39 - Baiboly Katolika

Nefa any amin’ny farandro any, hampodiko ny voababo tamin’i Elama, - teny marin’i Iaveh. -

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Nefa amin’ny ho avy dia mbola hampodiko avy amin’ny fahababoany ihany i Elama, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Nefa indray andro any ny Helamita dia haveriko avy any am-pahababoana ihany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Nefa indray andro any ny Helamita dia haveriko avy any am-pahababoana ihany, hoy ny teny hentitra avy amiko TOMPO.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Nefa any am-parany Dia mbola hampodiko avy amin’ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Nefa any am-parany dia mbola hampodiko avy amin'ny fahababoany ihany Elama, hoy Jehovah.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Nefa amin’ny ho avy dia mbola hampodiko avy amin’ny fahababoany ihany i Elama, hoy NY TOMPO.

Jereo ny toko



Jeremia 49:39
15 Rohy Ifampitohizana  

Raha mbola nivavaka ho an’ireo sakaizany i Jôba, i Iaveh kosa namerina an’i Jôba amin’ny toetrany voalohany, ary naveriny in-droa heny tamin’i Jôba ny fananany rehetra.


Izao no ho tonga any amin’ny andro farany; ny tendrombohitry ny tranon’i Iaveh, hatao eo an-tampon’ny tendrombohitra; sy hasandratra ho eo ambonin’ny havoana. Ary ny firenena rehetra hirohotra ho any aminy,


Saingy rehefa voaongotro, dia hiantrako indray izy ireo. Ka samy hoentiko ho any amin’ny lovany, samy ho any amin’ny taniny avy.


Mbola hampodiko anefa ny voababo amin’i Moaba, any amin’ny farandro any, - teny marin’i Iaveh. - Hatreto ny fitsarana an’i Moaba.


Hapetrako ao Elama ny seza fiandrianako, ka haripako avokoa, na mpanjaka na mpanapaka ao, - teny marin’i Iaveh. -


Rehefa afaka anefa izany, mbola hampodiko ny voababo amin’ny taranak’i Amôna, - teny marin’i Iaveh. -


haveriko indray ireo voababo avy any Ejipta, ka hampodiko amin’ny tany Patrôsa, any amin’ny tany niaviany, ary ao izy dia ho fanjakana ambanimbany.


Ary hiakatra hamely an’i Israely vahoakako ianao, toy ny rahona hanarona ny tany. Any am-paran’ny andro any no hitondrako anao hamely ny taniko mba hahafantaran’ny firenena Ahy rehefa manamasina ny Tenako ao aminao Aho, ry Goga, eo imason’ireo.


Koa izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Ankehitriny, hampodiko ny babo amin’ny taranak’i Jakôba, hamindrako fo ny taranak’i Israely rehetra, ary hasehoko ny fahasaro-piaroko ny Anarako Masina.


Rehefa afaka izany vao hibebaka ny zanak’i Israely, ka hitady an’i Iaveh Andriamaniny sy i Davida mpanjakany, indray; hiverina amim-pangovitana amin’i Iaveh sy amin’ny hatsaram-pony izy ireo, amin’ny faran’ny andro.»


Hampodiko indray ny babo amin’i Israely vahoakako; ka ny tanàna rava, haoriny sy honenany indray; ny voaloboka hamboleny, hisotroany ny divay avy aminy; hanao tanimboly izy ireo, hihinanany ny vokany.


Izao no ho tonga any am-paran’ny andro any: ny Tendrombohitra misy ny tranon’i Iaveh, haorina eo an-tampon’ny tendrombohitra, sy hasandratra eo ambonin’ny havoana. Ary hitanjozotra ho any aminy ny firenena.