Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera
- dokam-barotra -




Jeremia 50:1 - Baiboly Katolika

1 Ny teny notononin’i Iaveh tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany, ny amin’i Babilôna sy ny tanin’ny Kaldeanina.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

1 Izao no teny nampilazain’NY TOMPO an’i Jeremia mpaminany ny amin’i Babilona, dia ny tanin’ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy

DIEM PROTESTANTA

1 Hafatra nataon’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany ho an’i Babilôna sy i Babilônia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

1 Hafatra nataon’ny TOMPO tamin’ny alalan’i Jeremià mpaminany ho an’i Babilôna sy i Babilônia.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

1 IZAO no teny nampilazain’i Jehovah an’i Jeremia mpaminany ny amin’i Babylona, dia ny tanin’ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

1 Izao no teny nampilazain'i Jehovah an'i Jeremia mpaminany ny amin'i Babylona dia ny tanin'ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy

La Bible en Malgache

1 Izao no teny nampilazain’NY TOMPO an’i Jeremia mpaminany ny amin’i Babilona, dia ny tanin’ny Kaldeana.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 50:1
22 Rohy Ifampitohizana  

Ny niandohan’ny fanjakany dia i Babela, i Aràka, i Akada, ary i Kalane any amin’ny tany Senaara.


Ary nentin’i Tare i Abrama zanany mbamin’i Lôta zafiny, zanak’i Aràna, ary i Saray, vinantovaviny, vadin’i Abrama zanany; ary niara-nandeha izy ireo niala tany Ora any amin’ny Kaldeanina, mba ho any amin’ny tany Kanaana. Nony tonga tao Haràna anefa izy ireo dia nonina tao.


Izany no nanaovana ny anarany hoe Babela, satria tao no nanorokoroan’i Iaveh ny fitenin’ny tany rehetra, ary avy ao no nampielezan’i Iaveh azy ireo ho any ambonin’ny tany rehetra.


Ny fanahin’i Iaveh no niteny tamin’ny alalako, ary ny teniny no eo amin’ny vavako.


Olona nasain’ny mpanjakan’i Asiria ho avy any Babilôna sy any Kota sy any Avah, sy any Emata, ary any Sefarvaima no namponeniny tany amin’ny tanànan’i Samaria, hisolo ny zanak’i Israely, ka dia ireny no nahazo an’i Samaria, sy nonina tamin’ny tanànany.


Mbola miteny eo io, no nisy iray koa tonga nilaza hoe: «Niantoraka tamin’ny rameva ny Kaldeanina nizara telo toko, ka nandroba azy, sady namono ny ankizy lahy tamin’ny lelan-tsabatra; fa izaho irery no afa-nandositra hilaza izany aminao».


dia hoventesinao izao hira faniniana izao, ny amin’ny mpanjakan’i Babilôna, ka hataonao hoe: «Akory ity niafaran’ilay mpanjaka manao jadona, ary nitsaharan’ny fampahoriana?


Jereo ny tanin’ny Kaldeanina, firenena mbola tsy nisy, izay nanolotra an’i Asora ho an’ny bibidia any an’efitra; nanangana ny tilikambony izy, nandrava ny lapany, nataony korontan-javatra miavovona sisa teo!


Rehefa tapitra izany 70 taona izany, dia hampamoahiko ny amin’ny fahotany kosa ny mpanjakan’i Babilôna sy izany firenena izany, - teny marin’i Iaveh, - ary koa ny tanin’ny Kaldeanina, ary hataoko tany lao mandrakizay izany.


Hotompoin’ny firenena rehetra izy sy ny zanany aman-janaky ny zanany, mandra-pahatongan’ny fotoan’ny taniny indray kosa, ka hampanompoan’ny firenena maro ama-mpanjaka lehibe azy.


Dia niala tamin’ny tanin’ny Kaldeanina izy ka nonina tany Haràna. Ary nony maty irainy, dia nasain’Andriamanitra nifindra amin’ity tany onenanareo ankehitriny ity izy.


satria na oviana na oviana tsy nisy faminaniana nentin’ny sitrapon’ny olona, fa ny Fanahy Masina no nampiteny ny olo-masin’Andriamanitra izay notsindriany.


Nanaraka an’io, dia nisy Anjely anankiray hafa nanao hoe: «Rava, rava, i Babilôna lehibe, ilay nampisotro ny firenena ny divaim-pahatezerana tamin’ny fijangajangany.»


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra