Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 49:12 - Baiboly Katolika

Satria izao no lazain’i Iaveh: Indro, fa izay tsy tokony hisotro amin’ity kapoaka ity dia hisotro marina tokoa; ka ianao kosa ve ho afa-potsiny? Tsia, tsy ho afa-potsiny ianao, fa hisotro azy marina tokoa!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Izao tokoa no lazain’ny TOMPO: «Indro fa izay tsy tokony hisotro amin’ny tsatokaty aza, tsy maintsy nisotro ihany; koa ianao ve no ho afaka, ry Edôma? Tsia, tsy ho afaka ianao, tsy maintsy hisotro amin’ny tsatokaty ianao!

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Fa izao no lazain’i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, Ka moa ho afa-potsiny va hianao? Tsy ho afa-potsiny hianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Fa izao no lazain'i Jehovah: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin'ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, ka moa ho afa-potsiny va ianao? Tsy ho afa-potsiny ianao, fa tsy maintsy hisotro tokoa.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Fa izao no lazain’NY TOMPO: Indro, fa na dia izay tsy tokony hisotro amin’ny kapoaka aza dia hisotro tokoa, moa ho afa-maina va ianao? Tsy ho afa-maina ianao fa tsy maintsy hisotro tokoa.

Jereo ny toko



Jeremia 49:12
9 Rohy Ifampitohizana  

Izay maneso ny mahantra, manala baraka izay nanao azy; ary izay mifaly amin’ny fahorian’ny sasany tsy ho afa-maina tsy akory.


Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.


Fa momba anao Aho, - teny marin’i Iaveh, - hamonjy anao; hataoko ringana ny firenena rehetra nampielezako anao. Fa ianao kosa, tsy mba haringako; hofaiziko ara-drariny ihany ianao, fa tsy dia havelako ho afa-potsiny tsy akory.


Ary ianao, aza matahotra, ry Jakôba, mpanompoko, aza manam-badi-po, ry Israely. Indro ianao, halaiko avy any an-tany lavitra, ary ny taranakao, avy any amin’ny tany nahababo azy. Ho tafaverina i Jakôba, ka hiadana, handry fehizay, tsy misy mpanaitaitra.


Fa toy ny nisotroanareo teo an-tendrombohitro masina, no hisotroan’ny firenena rehetra tsy an-kijanona koa; hisotro izy, hitelina izy, ary ho toy ny tsy nisy akory izy.


Dia hoy ny famalin’i Jesoa: «Tsy fantatrareo izay angatahinareo. Moa mahasotro izay kapoaka hosotroiko va ianareo?» «Efanay ihany,» hoy ireo taminy.