Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 47:7 - Baiboly Katolika

Hataonao ahoana moa no fitsahatra, fa nomen’i Iaveh didy ianao? Mankany Aksalôna sy any amoron-dranomasina no itarihany azy.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Hataonao ahoana no fitsahatra? Fa NY TOMPO no nandidy azy, eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina, izay no efa nanendreny azy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an’i Askelôna sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ahoana moa no hiatoany? Ny TOMPO no manome baiko azy; ary hamely an’i Askelôna sy ny tany amoron-dranomasina no tanjona nanendreny azy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, Eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina No efa nanendreny azy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Hataony ahoana no fitsahatra. Fa Jehovah no nandidy azy, eny, hamely an'i Askelona mbamin'ny eny amoron-dranomasina no efa nanendreny azy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Hataonao ahoana no fitsahatra? Fa NY TOMPO no nandidy azy, eny, hamely an’i Askelona mbamin’ny eny amoron-dranomasina, izay no efa nanendreny azy.

Jereo ny toko



Jeremia 47:7
15 Rohy Ifampitohizana  

Irahiko izy hamely ny firenena mpankahala fivavahana, omeko didy izy hamely ny vahoaka mahatezitra Ahy, dia handroba sy hamabo, ary hanosihosy azy, toy ny fotaka eny an-dalambe.


Izaho kosa efa nanome didy an’ireo natokako, ary efa niantso ireo lehilahy maheriko hoentiko hahafa-po ahy amin’ny hatezerako, izay miarahaba ny fiandrianako, amin’ny hobin-kafaliana.


Tsy mba renao va fa efa hatramin’ny ela dia nanao izany aho, ary efa noforoniko hatramin’ny andro taloha? Ankehitriny ataoko izay hahatanterahan’izany. hampanjarianao korontan-javatra miavosa ny tanàna mimanda.


Ho voaozona anie izay mitsilamodamoka amin’ny asan’i Iaveh! Ho voaozona anie izay mihazona ny sabany tsy handatsa-dra!


Na raha mandefa sabatra hamely izany tany izany Aho, ary manao hoe: «Aoka hijinja ny tany ny sabatra...» sady mandringana ny olona sy ny biby;


Ry zanak’olona, maminania ka ataovy hoe; Izao no lazain’i Iaveh: lazao hoe: Ny sabatra, ny sabatra efa voaranitra sady voafotsy:


Ary ianao, ry ilay afa-pahamasinana, mpanjaka ratsy fanahin’i Israely, efa tonga ny andronao, amin’izao ipahan’ny fotoanan’ny faharatsiana;


Ary satria handringana ny marina sy ny meloka eo aminao Aho, noho izany dia hitsoaka avy amin’ny tranony ny sabatro hamely ny nofo rehetra, hatrany atsimo ka hatrany avaratra.


noho izany dia izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro Aho haninji-tanana amin’ny Filistinina, handringana ny Kretoà, ary handrava izay sisa monina eny amoron-dranomasina.


Trômpetra va no haneno ao an-tanàna, ka tsy hivadi-po ny vahoaka? Misy loza tonga amin’ny tanàna va, raha tsy i Iaveh no nahatonga izany?


Miantso mafy miteny amin’ny tanàna ny feon’i Iaveh - ary fahendrena kosa ny manaja ny Anaranao: - Mihainoa ianareo, ny tsora-kazo, mbamin’izay nandidy azy!


Koa ankehitriny, mandehana, asio i Amaleka, ka ataovy anatema avokoa izay azy rehetra; aza mamindra fo aminy fa ataovy maty avokoa, na lahy na vavy, na kely sy mbola minono, na omby na ondry, na rameva na ampondra».