Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe: «Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»
Jeremia 46:8 - Baiboly Katolika I Ejipta izao miakatra hoatra an’i Nila izao, ka misamboaravoara ny onjany hoatra ny ony be, Hoy izy: «Hiakatra aho, ka hanapaka ny tany, haringako ny tanàna mbamin’ny mponina ao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ejipta dia mizotra tahaka an’i Neily sady misamboaravoara toy ny renirano ny onjany; ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. DIEM PROTESTANTA I Ejipta no tahaka an’i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara, fa hoy izy hoe: «Hiakatra hanafotra ny tany aho, ary handringana ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara I Ejipta no tahaka an’i Neily tondraka, na ireo sampany misy rano misamboaravoara, fa hoy izy hoe: «Hiakatra hanafotra ny tany aho, ary handringana ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Baiboly Protestanta Malagasy Egypta mizotra tahaka an’i Neily, Ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano; Ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. Malagasy Bible Egypta mizotra tahaka an'i Neily, ary ny onjany misamboaravoara toy ny renirano, ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; Haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. La Bible en Malgache Ejipta dia mizotra tahaka an’i Neily sady misamboaravoara toy ny renirano ny onjany; ary hoy izy: Hizotra aho ka hanafotra ny tany; haringako ny tanàna sy ny mponina ao aminy. |
Mitenena ka ataovy hoe: Izao no lazain’ny Tompo Iaveh: Indro ho avy ao aminao Aho, ry Faraôna, mpanjakan’i Ejipta, ianao ilay mamba makadiry, mandry eo afovoan’ireo oninao, sy nanao hoe: «Ahy ny oniko, fa izaho no nanao azy ho an’ny tenako.»
Ry zanak’olona, manaova hira fitomaniana an’i Faraôna, mpanjanak’i Ejipta, ka lazao aminy hoe: Ry lion’ny firenena ô, levona ianao! Tahaka ny mamba teo anatin’ny ranomasina ianao, niezaka tany amin’ny oninao ianao, ary nanakobana ny ranony tamin’ny tongotrao, ary nandoto ny lakan-dranony.
Noho izany, tsy hihorohoro va ny tany, ary tsy hisaona va ny mponina rehetra eo aminy? Hisondrotra tahaka an’i Nila ny tany manontolo, hisondrotra sy hietry tahaka an’i Nilan’i Ejipta izy.