Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.
Jeremia 45:4 - Baiboly Katolika Izao no lazain’i Iaveh: Indro fa izay efa noarîko ravàko, izay efa namboleko ongotako; dia izao tany rehetra izao. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. DIEM PROTESTANTA Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Noho izany, dia izao no hafatry ny TOMPO asainy ampitaiko aminao: «Eo am-pandravana izay naoriko Aho izao ary eo am-panongotana izay namboleko; ary korontaniko ny tany tontolo. Baiboly Protestanta Malagasy Lazao aminy hoe: Izao no lazain’i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. Malagasy Bible Lazao aminy hoe: Izao no lazain'i Jehovah: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. La Bible en Malgache Lazao aminy hoe: Izao no lazain’NY TOMPO: Indro, horavako izay efa naoriko, ary hongotako izay efa namboleko, dia izao tany rehetra izao. |
Fotoana hamonoana, ary fotoana hanasitranana; fotoana hanjerana, ary fotoana hananganana.
ary indro aho anio manendry anao, ho eo amin’ny firenena amam-panjakana, hanongotra sy hanjera, hamery sy handrava, hamboly sy hanorina.»
I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»
Ambolenao izy, dia latsa-paka, mitombo, mamoa; akaiky ny vavany ianao, fa lavitra ny fony.
Nidirany an-kery ny fefiny, toy ny tanimboly; noravany ny fitoerany masina. Nataon’i Iaveh nitsahatra tao Siôna ny fety aman-tsabatra; tamin’ny firehetan’ny hatezerany dia nariany amim-panesoana ny mpanjaka ama-mpisorona.
Horavako ny voalobony aman’aviaviny, izay nataony hoe: Izany no tangy nomen’ireo lehilahiko ahy; ka hataoko manjary ala ireny, ary ny biby dia no hihinana azy.
Ho toy ny nifalian’i Iaveh tamin’ny nanasoavany sy nampitomboany anao ihany no hifalian’i Iaveh koa amin’ny handringanany sy handravàny anao kosa, ka hofongorana ianareo amin’ny tany hidiranao hanananao azy.