Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Jeremia 44:5 - Baiboly Katolika Kanefa tsy nihaino izy ireo, na nanongilan-tsofina mba hialany amin’ny haratsiany sy tsy hanaterany emboka manitra intsony, amin’izay andriamani-kafa. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin’ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa. DIEM PROTESTANTA Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin’ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin’ireo andriamani-kafa. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa tsy nihaino na nanongilan-tsofina akory ianareo hiala tamin’ny ratsy fanaonareo ka tsy hanolotra sorona amin’ireo andriamani-kafa. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa tsy nihaino, izy na nanongilana ny sofiny hialany amin’ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’andriamani-kafa. Malagasy Bible Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin'ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an'andriamani-kafa. La Bible en Malgache Nefa tsy nihaino izy na nanongilana ny sofiny hialany amin’ny haratsiany tsy handoro ditin-kazo manitra ho an’ny andriamanitra hafa. |
Kanjo nihomehezan’izy ireo ny irak’Andriamanitra, notsiratsirainy ny teniny, ary novazivaziny ny mpaminaniny, mandra-pihatran’ny fahatezeran’Andriamanitra tamin’ny vahoakany tsy azo notohaina intsony.
Dia mbola nandefitra taona maro ihany Ianao; ny fanahinao, ny vavan’ny mpaminaninao no nentinao ho vavolombelona namely azy, fa tsy nihaino izy. Tamin’izay dia natolotrao ho eo an-tanan’ny vahoakan’ny tany izy.
Enga anie ka hihaino ny teniko ianao, dia ho tahaka ny ony ny fiadananao; ho tahaka ny onjan-dranomasina ny fahamarinanao;
Noho ny fahalalako fa ianao dia mafy hatoka, ary anjam-by ny vozonao, sy varahina ny handrinao,
Fa izy ireo niverina ho amin’ny heloky ny razany, izay nandà tsy hihaino ny teniko; ka lasa nanaraka ireo andriamani-kafa, mba hanompo ireny. Samy nivadika ny fanekena nataoko tamin’ny razany, ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà.»
Fa araka ny isan’ny tanànanao, no isan’ny andriamanitrao, ry Jodà; ary araka ny isan’ny lalam-be ao Jerosalema, no isan’ny ôtely natsanganareo ho an’ilay sampy mahafa-baraka, dia ireo ôtely anaterana emboka manitra ho an’i Baala.
I Iavehn’ny tafika izay namboly anao, no nandidy ny loza hanjò anao. Noho ny ratsy nataon’ny taranak’i Israely sy ny taranak’i Jodà, izay nataony hihatsy ny hatezerako, tamin’ny fanaterana emboka manitra ho an’i Baala.»
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina; fa samy nandeha nanaraka ny ditran’ny fo ratsiny; ka dia notanterahiko taminy ny teny rehetra amin’ity fanekena ity, izay nandidiako azy hotandremany; nefa tsy notandremany.»
Ity vahoaka ratsy ity, izay tsy mety mihaino ny teniko, fa mandeha amin’ny ditran’ny fony, sy manaraka andriamani-kafa, mba hanompo azy sy hivavaka aminy, dia ho tahaka ity fehikibo tsy azo atao na inona na inona intsony ity.
Ny trano ao Jerosalema sy ny tranon’ny mpanjakan’i Jodà, ho tonga sahala amin’ity fitoeran’i Tofeta ity, dia maloto; dia ireo trano rehetra nanaterana emboka manitra teo ambony tafony, ho an’ny tafiky ny lanitra rehetra sy nanidìnana fanatitra araraka ho an’andriamani-kafa.
Ka dia tsy nihaino ny feon’i Iaveh nandidy azy hitoetra amin’ny tanin’i Jodà i Johanàna zanak’i Karea, sy ny mpifehy miaramila rehetra mbamin’ny vahoaka rehetra.
Kanefa izy ireo tsy nihaino na nanongilan-tsofina, fa nandeha araka ny saim-pantany, nanaraka ny hamafin’ny fo ratsiny; nihemotra izy fa tsy nandroso.
Nisy fiantsoana nataoko tamin’izy ireo; nefa izy niamboho. Nanolotra sorona amin’ny Baala izy, sy emboka ho an’ny sampy.