Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 43:11 - Baiboly Katolika

Ho avy izy, ka hamely ny tany Ejipta; ka izay ho amin’ny fahafatesana, matesa; izay ho amin’ny fahababoana, baboy; izay ho amin’ny sabatra, alavoin-tsabatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Eny, ho avy izy hamely ny tany Ejipta ka izay ho amin’ny areti-mandringana dia ho amin’ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana, ary izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin’ny areti-mandringana dia hianjadian’ny areti-mandringana, izay natao ho amin’ny fahababoana dia hianjadian’ny fahababoana, ary izay natao ho amin’ny sabatra dia hovonoina ho faty amin’ny sabatra.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ho avy hamely ny tany Ejipta izy, ka izay olona natao ho amin’ny areti-mandringana dia hianjadian’ny areti-mandringana, izay natao ho amin’ny fahababoana dia hianjadian’ny fahababoana, ary izay natao ho amin’ny sabatra dia hovonoina ho faty amin’ny sabatra.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin’ny areti-mandringana dia ho amin’ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana, ary izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Eny, ho avy izy hamely ny tany Egypta, ka izay ho amin'ny areti-mandringana dia ho amin'ny areti-mandringana, ary izay ho amin'ny fahababoana dia ho amin'ny fahababoana, ary izay ho amin'ny sabatra dia ho amin'ny sabatra.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Eny, ho avy izy hamely ny tany Ejipta ka izay ho amin’ny areti-mandringana dia ho amin’ny areti-mandringana, ary izay ho amin’ny fahababoana dia ho amin’ny fahababoana, ary izay ho amin’ny sabatra dia ho amin’ny sabatra.

Jereo ny toko



Jeremia 43:11
15 Rohy Ifampitohizana  

Izany no anjara naraikitr’Andriamanitra ho an’ny ratsy fanahy, sy lova voatendrin’Andriamanitra ho azy».


Ary raha tahiny izy manao aminao hoe: Ho aiza anefa izahay? dia izao no holazainao aminy: Izao no tenin’i Iaveh: Ny ho amin’ny fahafatesana, ho any amin’ny fahafatesana; ny ho amin’ny sabatra, ho any amin’ny sabatra; ny ho amin’ny mosary, ho any amin’ny mosary; ny ho amin’ny fahababoana, ho any amin’ny fahababoana.


Fa izao no nolazain’i Iaveh, Andriamanitr’i Israely tamiko: «Raiso ity kapoakan’ ny divaim-pahatezerako etỳ an-tanako ity, ka ampisotroy ny firenena rehetra hanirahako anao.


I Faraôna mpanjakan’i Ejipta, ny mpanompony, ny mpanapaka mbamin’ny vahoakany rehetra,


Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin’ny tianareo haleha honenana ianareo.


Halaiko ny sisa amin’i Jodà, izay nitodi-maso mankany Ejipta mba ho tonga hitoetra any: Ho levona any amin’ny tany Ejipta, dia ho lavo izy ireo: ho levon’ny sabatra sy ny mosary; na ny kely na ny lehibe, ho fatin’ny sabatra sy ny mosary izy ireo ary ho tonga fisahato, fitalanjonana, fanozona, ary fandatsa.


Toy ny namangiako an’i Jerosalema tamin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta no hamangiako an’izay mitoetra eo amin’ny tany Ejipta.


Tsy hodiavin-tongotr’olona intsony eo; ary ny tongo-biby tsy handia azy, ary tsy hisy mponina eo, mandritra ny efapolo taona.


Ny ampahatelon’ny zanakao, ho fatin’ny pesta na ho levon’ny mosary eo aminao; ny ampahatelony, ho lavon’ny sabatra eny manodidina anao rehetra eny; ary ny ampahatelony haeliko any amin’ny vazantany rehetra; sady hanatsoahako sabatra avy ato aoriana.


Dia hoy aho: «Tsy hiandry anareo intsony aho, fa matesa izay ho faty, vereza izay ho very, ary mifampihinàna izay sisa!»


Izay tokony ho amin’ny fahababoana, dia mankany amin’ny fahababoana; izay mamono amin’ny sabatra tsy maintsy hovonoina amin’ny sabatra. Toy izany no fandeferana sy finoan’ny olo-masina.