Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 43:1 - Baiboly Katolika

Nony tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra avokoa ny tenin’i Iaveh Andriamaniny, ireo teny rehetra nanirahan’i Iaveh Andriamaniny azy ho aminy,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Rehefa tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’NY TOMPO Andriamaniny izany, izay nanirahan’NY TOMPO Andriamanitra azy holazaina aminy,

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Rehefa tapitra voalazan’i Jeremià avokoa tamin’ny vahoaka rehetra teo ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy holazainy aninkeheo,

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Rehefa tapitra voalazan’i Jeremià avokoa tamin’ny vahoaka rehetra teo ny tenin’ny TOMPO Andriamaniny araka izay nanirahany azy holazainy aninkeheo,

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

ARY rehefa tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan’i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary rehefa tapitra voalazan'i Jeremia tamin'ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin'i Jehovah Andriamaniny izany, izay nanirahan'i Jehovah Andriamanitra azy holazaina aminy,

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Rehefa tapitra voalazan’i Jeremia tamin’ny vahoaka rehetra izany teny rehetra avy tamin’NY TOMPO Andriamaniny izany, izay nanirahan’NY TOMPO Andriamanitra azy holazaina aminy,

Jereo ny toko



Jeremia 43:1
15 Rohy Ifampitohizana  

Dia nivoaka i Lôta, ka nilaza tamin’ny vinantony, izay naka ny zanany vavy ho vadiny, nanao hoe: «Mitsangàna ianareo, mialà amin’ity fitoerana ity, fa horavan’i Iaveh ny tanàna.» Nataon’ireo vinantony ho manao vazivazy anefa izy.


Dia tonga i Môizy, nitondra tamin’ny vahoaka ny tenin’i Iaveh rehetra sy ny lalàna rehetra, ka indray niredona ny vahoaka ka namaly hoe: «Izay teny rehetra voalazan’i Iaveh dia hotanterahinay avokoa».


Fa ianao kosa: misikìna, mitsangàna ary lazao aminy izay rehetra handidiako anao. Aza mangovitra eo anatrehany, fandrao ataoko mangovitra eo anatrehany ianao.


Fa hoy Iaveh tamiko: «Aza manao hoe: ‹Zaza aho›, fa handeha ho any amin’izay rehetra anirahako anao ianao, ary hilaza izay rehetra handidiako anao.


Izao no lazain’i Iaveh: «Mitsangàna ianao eo an-kianjan’ny tranon’i Iaveh, ka lazao amin’izay avy amin’ny tanànan’i Jodà rehetra izay tonga hivavaka ao an-tranon’i Iaveh, ny teny rehetra nasaiko hambaranao aminy; aza misy amelàna na dia teny iray aza.


Nony tapitra voalazan’i Jeremia avokoa izay nasain’i Iaveh nolazaina amin’ny vahoaka rehetra, dia nosamborin’ny mpisorona ama-mpaminany mbamin’ny vahoaka rehetra izy, sady nataony hoe: «Ho faty ianao!


Nanambara izany taminareo aho androany, fa tsy nihaino ny feon’i Iaveh Andriamanitrareo kosa ianareo, na ny zavatra inona na ny zavatra inona nanirahany ahy ho aminareo.


Koa aoka ho fantatrareo marimarina izao, fa ho fatin’ny sabatra sy ny mosary ary ny pesta any amin’ny tianareo haleha honenana ianareo.


Efa nandà an’i Iaveh izy, ka nanao hoe: «Tsy misy Izy, ka tsy hisy loza hanjò antsika; tsy hahita sabatra na mosary isika.


Ary rehefa tapitra ny famakiako ity boky ity, dia asio vato mifehy aminy, ka atsipazo any afovoan’i Eofrata any izy,


ampianaro izy hitandrina ny zavatra rehetra nandidiako anareo. Ary indro Aho eo aminareo mandrakariva ambara-pahatongan’ny faran’izao tontolo izao.»


satria efa nambarako avokoa fa tsy nisy nafeniko taminareo ny sitrapon’Andriamanitra rehetra.


«Mandehana mankao amin’ny Tempoly, ka torio amin’ny vahoaka ny teny rehetra, ny amin’izany fiainana izany.»


Dia nambaran’i Samoela tamin’ny vahoaka nangataka mpanjaka taminy ny tenin’i Iaveh rehetra,