Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 42:3 - Baiboly Katolika

Aoka hambaran’i Iaveh Andriamanitrao aminay, izay lalana tokony hizoranay, sy izay zavatra tokony hataonay.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

mba hambaran’NY TOMPO Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Mangataha amin’ny TOMPO Andriamanitrao mba hatorony anay ny lalana tokony hizoranay sy ny zavatra tokony hataonay.

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

mba hambaran’i Jehovah Andriamanitrao anay izay làlana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

mba hambaran'i Jehovah Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

mba hambaran’NY TOMPO Andriamanitrao anay izay lalana mety halehanay sy izay zavatra tokony hataonay.

Jereo ny toko



Jeremia 42:3
13 Rohy Ifampitohizana  

dia mihainoa azy Ianao any an-danitra ka avelao ny fahotan’ny mpanomponao sy i Israely vahoakanao sady manoroa azy ny lalana tsara tsy maintsy alehany, ary alatsaho ny ranonorana amin’ny tany nomenao ny vahoakanao ho lovany.


Niantso andro fifadian-kanina aho, teo amoron’ny ony Ahavà teo, hampijalianay tena eo anatrehan’ny Andriamanitray, hangatahanay aminy mba ho tsara mandroso avokoa, na ny tenanay, na ny zanakay, na ny anananay rehetra.


Tompo ô, ampianaro ny lalanao aho; tariho amin’ny lalana marina aho; noho ny amin’ireo mitsikilo ahy.


Ampianaro ny lalànao aho, ry Iaveh; fa te-handeha amin’ny fahitsianao! Araiketo amin’ny fahatahorana Anao ny foko.


Mihevera azy amin’ny lalanao rehetra, dia hanarina ny sakeli-dalanao Izy.


ary firenena maro no ho avy sy hilaza hoe: «Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; hampianatra antsika ny lalàny Izy, ary hizotra amin’ny lalany isika. Fa avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema no hivoahan’ny tenin’i Iaveh.»


Izao no lazain’i Iaveh: «Mitoera eny amin’ny lalana ianareo, ka mijere; anontanio izay lalana faleha taloha, izay lalan’ny famonjena ka iny aleha, dia hahita fitsaharana ho an’ny fanahinareo ianareo.» Kanjo izao no navalin’izy ireo: «Tsy handeha amin’izany izahay.»


Vahoaka maro no ho tonga sy hanao hoe: Andeha isika hiakatra any an-tendrombohitr’i Iaveh, any an-tranon’ny Andriamanitr’i Jakôba; fa hampianariny antsika ny lalany, dia hizotra amin’ny sakeli-dalany isika. Satria avy any Siôna no hivoahan’ny lalàna, ary avy any Jerosalema ny tenin’i Iaveh.


Endrey, raha mba toy izany mandrakariva mantsy ny fony ka hatahotra Ahy sy hitandrina ny didiko rehetra izy, ka ho sambatra mandrakizay izy sy ny taranany.


«Koa mitandrema, mba hanatanteraka izay nandidian’i Iaveh Andriamanitrareo anareo; aza mivily na ho amin’ny ankavanana na ho amin’ny ankavia;