Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 40:4 - Baiboly Katolika

Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

Ankehitriny, indro vahako izao ny gadra eny an-tananao; koa raha tianao ny handeha hiaraka amiko hankany Babilôna, dia andao fa izaho no hiahy anao. Nefa raha tsy tianao izany, dia mijanòna. Hevero ho eo anatrehanao ny tany manontolo, koa mandehàna amin’izay toerana tianao haleha.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin’ny tànanao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara hianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no alehao.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ary, indro, ankehitriny vahako izao ny gadra amin'ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao kosa ny hiaraka amiko hankany Babylona, dia andeha, fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babylona, dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ary indro, ankehitriny vahàko izao ny gadra amin’ny tananao. Koa raha sitraky ny fonao ny hiaraka amiko hankany Babilona dia andao fa hotandremako tsara ianao; nefa raha tsy sitraky ny fonao ny hiaraka amiko ho any Babilona dia mijanòna ihany; indro, ny tany rehetra dia eo anoloanao, koa izay tany tianao sy sitrakao no andehano.

Jereo ny toko



Jeremia 40:4
8 Rohy Ifampitohizana  

Ka aoka hisaraka amiko ianao. Raha mankany amin’ny havia ianao dia havanana kosa no halehako; ary raha mankany amin’ny havanana ianao dia ny havia kosa no halehako.»


Hoy i Abimeleka: «Indro eo anoloanao ny taniko, ka mitoera amin’izay tianao.»


Ary ianao nilaza tamin’ny mpanomponao hoe: ‹Ento midina aty amiko izy mba ho hitan’ny masoko.›


Aoka honina amin’ny tany Gesena izy. Ary raha mahita lehilahy mahay amin’izy ireo ianao, tendreo izy ho mpitandrina ny biby fiompiko.»


Fa hoy i Jeremia: «Tsy marina izany, tsy miandany amin’ny Kaldeanina aho.» Tsy nihaino izany akory anefa i Jeriasa, fa nosamboriny ihany i Jeremia, dia nentiny nankany amin’ny lehibe.


Nohodidininy tamboho aho, tsy ho afa-mivoaka; novesarany gadra vy.