Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
Jeremia 40:14 - Baiboly Katolika ka nanao taminy hoe: «Fantatrao va, fa i Baalisa mpanjakan’ny taranak’i Amôna, efa naniraka an’i Ismaely, zanak’i Nataniasa, hamono anao?» Baiboly Protestanta Malagasy 2011 ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama. DIEM PROTESTANTA Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Nanontany an’i Gedalià izy hoe: –Moa fantatrao tsara ve fa i Bahalisa, mpanjakan’ny Hamônita, dia naniraka an’i Jismahela, zanakalahin’i Netanià, hamono anao? Nefa tsy nino azy i Gedalià. Baiboly Protestanta Malagasy ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Isimaela, zanak’i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak’i Ahikama. Malagasy Bible ka nanao taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa Balisa, mpanjakan'ny taranak'i Amona, dia naniraka an'Isimaela, zanak'i Netania, hamono anao? Nefa tsy nino azy Gedalia, zanak i Ahikama. La Bible en Malgache ka niteny taminy hoe: Moa fantatrao tokoa va fa i Balisa, mpanjakan’ny taranak’i Amona, dia naniraka an’Ismaela, zanak’i Netania, hamono anao? Tsy nino azy anefa i Gedalia, zanak’i Ahikama. |
Raha omena famindram-po ny ratsy fanahy dia tsy mahalala ny fahamarinana; ka na eo amin’ny tanin’ny fahamarinana aza izy dia manao ratsy, sy tsy mahita izay fiandrianan’i Iaveh.
Fa i Johanàna zanak’i Karea, mbamin’ny mpifehy miaramila tany ambanivohitra rehetra kosa, tonga tany amin’i Godoliasa tany Masfà,
dia nanatona an’i Godoliasa, tany Masfà izy ireo, izany hoe i Ismaely zanak’i Nataniasa, i Johanàna sy i Jonatàna zanak’i Karea, i Seraiasa zanak’i Tanehometa, ireo zanak’i Efoì, sy i Netofà, ary i Jezoniasa zanak’ilay Môahatianina, dia ireo mbamin’ny olom-peheziny avy.
Nony tamin’ny volana fahafito, tonga tao amin’i Godoliasa zanak’i Ahikama tao Masfà, i Ismaely zanak’i Nataniasa zanak’i Elisamà, taranak’andriana, nomban’ireo andriambaventin’ny mpanjaka sy olona folo lahy koa, dia niara-nihinana tao Masfà izy ireo.
Dia nentin’i Ismaely ho babo ny olona sisa tao Masfà, ireo zanaka vavin’ny mpanjaka mbamin’ny vahoaka rehetra tafajanona tao Masfà, izay nomen’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, ho filohany; nentin’i Ismaely zanak’i Nataniasa ho babo ireo, dia lasa nankany amin’ny taranak’i Amôna izy.
Ary nitsangana i Ismaely, zanak’i Nataniasa, mbamin’ireo olona folo lahy niaraka taminy, ary namely sabatra an’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ka matiny izy ilay napetraky ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany,
Aza mino izay sakaiza ianareo, na matoky izay ifankazarana indrindra: na eo anatrehan’ilay mandry eo am-pofoanao aza dia tano ny teny ao am-bavanao!