Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.
Jeremia 40:1 - Baiboly Katolika Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia. DIEM PROTESTANTA Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary tonga tamin’i Jeremià indray ny teny avy amin’ny TOMPO taorian’ny namotsoran’i Nebozaradàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tao Ramà. Fa nigadra niaraka tamin’ny olon’i Jerosalema sy ny olon’i Joda izay efa hoentin-ko babo any Babilôna i Jeremià. Baiboly Protestanta Malagasy IZAO no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’i Jehovah, taorian’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin’ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona. Malagasy Bible Izao no teny tonga tamin'i Jeremia avy tamin'i Jehovah, taorian'ny nandefasan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, azy niala tany Rama, tamin'ilay nampanalany azy fony izy mbola nigadra tao amin'ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay nentina ho babo tany Babylona. La Bible en Malgache Izao no teny tonga tamin’i Jeremia avy tamin’NY TOMPO, taorianan’ny nandefasan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina azy niala tany Rama. Tamin’ny nampanalany azy dia mbola nigadra niaraka tamin’ny babo rehetra avy tany Jerosalema sy Joda, izay halefa any Babilona i Jeremia. |
Tamin’ny taona faha-36 nanjakan’i Asà dia niakatra hamely an’i Jodà, i Baasà mpanjakan’i Israely, ka naoriny i Ramà mba hisakana ny olon’i Asà tsy hahazo mivoaka sy miditra.
Rain’ny kamboty, mpitsara ny mpitondratena Izy, Andriamanitra eo amin’ny fonenany masina.
Izao no lazain’i Iaveh: Nisy feo re tany Ramà, dia fidradradradràna sy fitomaniana mangidy; fa nitomany ny zanany i Rasela ka mandà tsy hampiononina izy, ny amin’ny zanany, satria tsy velona intsony ireo.
ary ny vahoaka sisa tamin’ny tany izay tafajanona teo, dia nentin’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, ho babo any Babilôna.
Tamin’ny taona faha-12n’ny nahababo antsika, tamin’ny volana faha-10, andro fahadimin’ny volana, nisy olona nandositra avy any Jerosalema, tonga tao amiko nilaza hoe:
Fa namaly izy ka nanao hoe: «Nahoana no dia mitomany toy izao ianareo, ka tonga mahahontsa ny foko? Izaho izao dia vonona tsy ny hafatotra ihany, fa na ny ho faty any Jerosalema aza, mba ho voninahitry ny Anaran’i Jesoa Tompo.»
Izany no niangaviako ny mba hifankahita sy hidinika aminareo; fa noho ny fanantenan’i Israely ity, no ifatorako amin’izao rojo vy izao.»
(izay anaovako ny raharahan’ny ambasadaoro eto am-pigadrana), dia hitory azy tsy aman-tahotra araka izay mety hataoko aho.
Raha efa izany dia niverina any Ramà izay misy ny tranony izy, dia nitsara an’i Israely tao, ary nanorina ôtely tao ho an’i Iaveh.