Baiboly an-tserasera

dokam-barotra


Ny Baiboly manontolo Testamenta Taloha Testamenta Vaovao




Jeremia 39:12 - Baiboly Katolika

«Alaovy izy, ka ataovy andry maso, aza asian-dratsy, fa araka izay lazainy aminao ihany atao aminy.»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

Ento izy ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no tanteraho aminy.

Jereo ny toko

DIEM PROTESTANTA

«Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!»

Jereo ny toko

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

«Ndeha alaovy izy, ary tandremo tsara mba tsy hisy hanisy ratsy azy, fa ataovy izay angatahany aminao!»

Jereo ny toko

Baiboly Protestanta Malagasy

Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.

Jereo ny toko

Malagasy Bible

Ento izy, ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy fa araka izay lazainy aminao no ataovy aminy.

Jereo ny toko

La Bible en Malgache

Ento izy ka tandremo tsara, fa aza asian-dratsy; fa araka izay lazainy aminao no tanteraho aminy.

Jereo ny toko



Jeremia 39:12
12 Rohy Ifampitohizana  

Raha sitrak’i Iaveh ny lalan’ny olona, na ny fahavalony aza hampihavaniny aminy.


Rano mandeha eo an-tanan’i Iaveh ny fon’ny mpanjaka, ka atongilany amin’izay rehetra tiany.


Te hanara-maso izay zava-mandalo va ianao? fa maniry elatra ny harena, ka misidina ho eny an-danitra, toy ny voromahery.


Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.


Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»


Hitsinjo azy ireo ny masoko hanasoa azy, ka hampodiko ho amin’ity tany ity; haoriko izy, ka tsy horavako intsony; hamboleko izy, ka tsy hongotako intsony.


Ary i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina, i Nabosezibàna lehiben’ny eonòka, sy i Nergaly-Seresera lehiben’ny majy, mbamin’izay rehetra mpanapaky ny mpanjakan’i Babilôna,


Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»


Ary raha lasan-ko babo eo anoloan’ny fahavalony izy, hodidiako hamono azy any ny sabatra. Ka hifàntoka aminy ny masoko, nefa tsy hahatonga soa, fa loza ho azy izany.


Fa noesoriny tamin’ny fahoriany rehetra izy, sady nomeny fahendrena, ka nankasitrahin’i Faraôna mpanjakan’i Ejipta, mbamin’izay rehetra tao an-dapany.