Hataon’Andriamanitra afaka amin’ny sabatry ny lelan’ireny ny malahelo, sy amin’ny tanan’ny mahery.
Jeremia 39:11 - Baiboly Katolika Nisy didy nomen’i Nabokodonozora, mpanjakan’i Babilôna, an’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia, nataony hoe: Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanome teny an’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia hoe: DIEM PROTESTANTA Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanome baiko an’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ny amin’i Jeremià ka nanao hoe: Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Ary i Nebokadnetsara mpanjakan’i Babilôna nanome baiko an’i Nebozaradàna lehiben’ny mpiambina ny amin’i Jeremià ka nanao hoe: Baiboly Protestanta Malagasy Ary Nebokadnezara, mpanjakan’i Babylona, nanome teny an’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia nanao hoe: Malagasy Bible Ary Nebokadnezara, mpanjakan'i Babylona, nanome teny an'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, ny amin'i Jeremia nanao hoe: La Bible en Malgache Ary i Nebokadnezara, mpanjakan’i Babilona, dia nanome teny an’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, ny amin’i Jeremia hoe: |
Hataon’Andriamanitra afaka amin’ny sabatry ny lelan’ireny ny malahelo, sy amin’ny tanan’ny mahery.
Inenina Izy hanafaka anao amin’ny fahoriana; ary amin’ny fanimpitony, dia tsy hahazo anao ny loza.
Aza manana izay tahotra akory ianao eo anatrehan’izy ireo, fa momba anao hamonjy anao Aho,» - teny marin’i Iaveh! -
Dia hoy i Iaveh: «Hanamafy anao aho mba hahasoa anao; hataoko tonga hifona aminao tokoa ny fahavalonao, amin’ny andron’ny loza amam-pahoriana.
Hataoko manda varahina mafy ho an’ity vahoaka ity ianao; hiady aminao izy, nefa tsy hahavoa anao akory; satria homba anao Aho, hamonjy, sy hanafaka anao, - teny marin’i Iaveh. -
Hanafaka anao amin’ny tanan’ny ratsy fanahy Aho, ary hanavotra anao amin’ny tanan’ny mpanao an-keriny.»
Kanefa na izy, na ny mpanompony, na ny ankapobem-bahoaka tao amin’ny tany, dia samy tsy nihaino ny tenin’i Iaveh izay notononiny tamin’ny alalan’i Jeremia mpaminany.
Ny teny natao tamin’i Jeremia avy amin’i Iaveh taorian’ny nandefasan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina azy hiala tany Ramà, nony nampanalainy izy, ilay mbola nifatotra iny, teo amin’ireo babo rehetra avy any Jerosalema sy Jodà izay nentina ho any Babilôna.
Ary ianao izao, dia indro fa novahako ny fatorana tamin’ny tananao, ka sitrakao moa ny hiaraka amiko ho any Babilôna, dia andeha fa hitandrina anao aho; tsy sitrakao kosa ny hiaraka amiko any Babilôna, dia aoka tsy hoheverina izany. Jereo, eo anoloanao ny tany rehetra, ka mandehana amin’izay heverinao ho tsara sy mety.»
Tamin’ny volana faha-5, andro faha-10n’ny volana, dia izay taona faha-19 nanjakan’i Nabokodonozora, no tonga tany Jerosalema i Nabozardàna, kapitenin’ny mpiambina, izay mpandraharahan’ny mpanjakan’i Babilôna;
Dia nasainy nambenan’ny kapiteny i Paoly, nefa avela hiadanadana ihany, ary tsy raràna tsy hanampy azy ny mpomba azy na iray aza.