fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
Jeremia 39:10 - Baiboly Katolika Fa ny olona mahantra sasantsasany, tsy manana na inona na inona, dia navelan’i Nabozardàna, lehiben’ny mpiambina, teo amin’ny tanin’i Jodà, sady nomeny tanimboaloboka aman-tanimboly tamin’izay andro izay izy ireo. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany. DIEM PROTESTANTA Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Kanefa nisy ihany ampahany tamin’ny vahoaka mahantra, dia ireo olona tsy manana na inona na inona, no navelany teo amin’ny tany sady notolorany tanimboaloboka sy tanimboly. Baiboly Protestanta Malagasy Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanimboaloboka sy tanimboly tamin’izany andro izany. Malagasy Bible Nefa ny olona malahelo izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany navelan'i Nebozaradana, lehiben'ny mpiambina, tao amin'ny tanin'ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin'izany andro izany. La Bible en Malgache Na izany aza, ny olona mahantra sasantsasany izay tsy nanana na inona na inona kosa dia nisy ihany ny navelan’i Nebozaradana, lehiben’ny mpiambina, tao amin’ny tanin’ny Joda sady nomeny tanim-boaloboka sy tanimboly tamin’io andro io ihany. |
fa olo-mahantra tompon-tany vitsivitsy sisa navelan’ny kapitenin’ny mpiambina ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
Ny amiko, dia honina ao Masfà aho, ho mpanao raharahan’ny Kaldeanina, tonga atỳ aminareo; ary ianareo kosa, angony ny divay amam-boankazo sy diloilo, ka ataovy amin’ny fasiana azy, dia monena amin’izay tanànanareo, izay hipetrahanareo.»
Nony nandre ry zareo mpifehy miaramila rehetra tany ambanivohitra mbamin’ireo olom-peheziny, fa hoe: i Godoliasa zanak’i Ahikama no natsangan’ny mpanjakan’i Babilôna ho governora amin’ny tany, sy nametrahany ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy ary ny mahantra amin’ny tany, tsy nentin-ko babo any Babilôna,
ny lehilahy, ny zaza amam-behivavy, ny zanaka vavin’ny mpanjaka, mbamin’ny olona rehetra navelan’i Nabozardàna lehiben’ny mpiambina niaraka tamin’i Godoliasa zanak’i Ahikama, zanak’i Safàna, ary koa i Jeremia mpaminany, mbamin’i Baròka zanak’i Nerià.
Navelan’i Nabozardàna kapitenin’ny mpiambina ihany anefa ny olo-mahantra sasany tamin’ny tany ho mpamboly voaloboka sy ho mpiasa tany.
Ry zanak’olona, ireo monina ao amin’ireny toeran-dravarava amin’ny tanin’i Israely ireny, manao hoe: «Irery i Abrahama, ary efa nahazo ny tany ho anjarany; isika kosa maro ary efa nomena antsika ny tany ho fananantsika.»
Dia nilatsaka ho mpiandry ireo ondry natao famono aho, mbamin’ireo mahantra indrindra amin’ny andiany. Naka tehim-piandrasana roa aho, ka ny iray nataoko hoe i Fahasoavana; ary ny iray nataoko hoe i Kofehy; dia nandrasako ny ondry.