Dia nanome teny an’i Abdemeleka etiôpianina ny mpanjaka nanao hoe: «Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy.»
Jeremia 38:11 - Baiboly Katolika Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy i Abdemeleka, dia niditra tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ao ambanin’ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin’ny tady izany ho ao amin’i Jeremia ao an-davaka. Baiboly Protestanta Malagasy 2011 Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia. DIEM PROTESTANTA Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Melèka, ka nankao an-dapan’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin’i Jeremià tao an-dava-drano tamin’ny tady mahazaka. Dikateny Iombonana Eto Madagasikara Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Melèka, ka nankao an-dapan’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin’i Jeremià tao an-dava-drano tamin’ny tady mahazaka. Baiboly Protestanta Malagasy Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin’ny mahazaka ho ao amin’ny lavaka izany ho ao amin’i Jeremia. Malagasy Bible Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia. La Bible en Malgache Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia. |
Dia nanome teny an’i Abdemeleka etiôpianina ny mpanjaka nanao hoe: «Mangalà olona telopolo lahy etoana, hiaraka aminao, ka ampakaro i Jeremia mpaminany avy ao an-davaka dieny mbola tsy maty izy.»
Dia hoy i Abdemeleka etiôpianina tamin’i Jeremia: «Ataovy ao ambany helikao ireny lamba tonta amam-borodamba ireny eo ambanin’ny tady.» Nataon’i Jeremia izany.
Dia noraisin’izy ireo i Jeremia, ka nampidininy tao an-davak’i Melkiasa zanak’andriana, ao an-kianjan’ny fiambenana; mahazaka no nampidinana an’i Jeremia tao an-davaka izay tsy nisy rano, fa fotaka ihany, ka nilentika tanaty fotaka i Jeremia.
Ren’i Abdemeleka etiôpianina eonòka tao an-tranon’ny mpanjaka fa hoe tao an-davaka i Jeremia; nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamina ny mpanjaka tamin’izay;
Ny volafotsy amam-bolamena rehetra, mbamin’ny fanaka varahina sy vy, dia hatokana ho an’i Iaveh avokoa, ka hiditra amin’ny rakitr’i Iaveh.»