Biblia Todo Logo
Baiboly an-tserasera

- dokam-barotra -




Jeremia 38:11 - DIEM PROTESTANTA

11 Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Melèka, ka nankao an-dapan’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin’i Jeremià tao an-dava-drano tamin’ny tady mahazaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy 2011

11 Ary i Ebeda-Meleka dia nitondra ny olona niaraka taminy ka lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano fitahirizana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy ka nampidininy tamin’ny tady mahazaka ho ao amin’ny lavaka, ho ao amin’i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Dikateny Iombonana Eto Madagasikara

11 Dia naka telopolo lahy hiaraka aminy i Hebeda-Melèka, ka nankao an-dapan’ny mpanjaka tao amin’ny efitrano fitahirizan-javatra; ary naka fitafiana rovitra sy tonta tao izy, ka nampidininy ho eo amin’i Jeremià tao an-dava-drano tamin’ny tady mahazaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Katolika

11 Ary naka ireo olona ireo hiaraka aminy i Abdemeleka, dia niditra tao amin’ny tranon’ny mpanjaka ao ambanin’ny trano firaketana. Naka lamba tonta amam-boro-kitsay tao izy, ka nalefany tamin’ny tady izany ho ao amin’i Jeremia ao an-davaka.

Jereo ny toko dika mitovy

Baiboly Protestanta Malagasy

11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin’ny tranon’ny mpanjaka eo ambanin’ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin’ny mahazaka ho ao amin’ny lavaka izany ho ao amin’i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy

Malagasy Bible

11 Ary Ebeda-meleka nitondra ny olona niaraka taminy, ka dia lasa nankany amin'ny tranon'ny mpanjaka eo ambanin'ny trano firaketana, ary naka lamba rovitra sy vorodamba tao izy, ka nampidininy tamin'ny mahazaka ho ao amin'ny lavaka izany ho ao amin'i Jeremia.

Jereo ny toko dika mitovy




Jeremia 38:11
5 Rohy Ifampitohizana  

Dia nanome baiko an’i Hebeda-Melèka etiôpianina ny mpanjaka hoe: –Mitondrà telopolo lahy avy eto hiaraka aminao, ka ampiakaro hiala tao an-dava-drano i Jeremià dieny mbola tsy maty.


Ary hoy i Hebeda-Melèka etiôpianina tamin’i Jeremià hoe: –Ataovy ao ambany helikao ireo vorodamba ireo ka apetraho eo ambaniny ny tady mahazaka. Rehefa nataon’i Jeremià izany,


Dia nalain’ireo manamboninahitra efa-dahy ireo i Jeremià ka natsipiny tao amin’ny lavaka famorian-dranon’ny andriana Malkià; fa teo an-kianjan’ny trano fiambenana io lavaka io. Tady mahazaka no nandatsahany an’i Jeremià tao. Nefa tsy nisy rano tao fa fotaka ihany, koa nilentika tamin’ny fotaka i Jeremià.


Ary ren’ilay Etiôpianina atao hoe Hebeda-Melèka izay lehilahy nahatoky tao an-dapan’ny mpanjaka fa natsipy tao an-dava-drano i Jeremià. Ny mpanjaka kosa tamin’izay dia nipetraka teo am-bavahadin’i Benjamîna;


Ny volafotsy sy volamena rehetra ary ny fanaka rehetra halimo sy vy dia hatokana ho Azy TOMPO ka haiditra ao amin’ny firaketan’ny TOMPO.


Araho izahay:

dokam-barotra


dokam-barotra